|
Rongony nodorana_Vaovao Stupefiant |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
26-09-2007 |

 

| VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA Nodorana teny amin’ny fanariam-pakon’ny Fivondronana ANTANANARIVO RENIVOHITRA teny AMBOHITRIMANJAKA androany 25 septambra 2007 ny rongony milanja 130Kgs. Rongony azon’ny Polisy avy ao amin’ny Service des Stupéfiants etsy ANOSY ireto nodorana ireto .Tamin’ny alakamisy 20 septambra lasa teo no azon’ny Polisy teny amin’ny toerana iray teny ITAOSY io rongony io .Olona efatra no voaroiroy tamin’izao raharaha izao ka ny iray no voatazona vonjimaika eny amponja ny sabotsy 22 septambra teo . Rongony avy any amin’iny faritra BETROKA iny izy ity ary rongony gasy no karazany. Nokasain’ireto olon-dratsy hamidy 1.300.000Fmg ny kilao. Nozaraina tao anaty baoritra lehibe telo ilay rongony 130Kgs ary rehefa nosavain’ny Polisy izy ireo dia nandainga tamin’ny voalohany ary nolazainy fa entana lamba halefa eny amin’ny orinasa afaka haba |
|
|
Dernière mise à jour : ( 26-09-2007 )
|