Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow Fitokanana CSP Betafo
Vous êtes le ième visiteur(s)
Fitokanana CSP Betafo Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
11-09-2007

VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA

Image Exemple

Image Exemple 

Image Exemple

Image Exemple

Image Exemple

Image Exemple

Image Exemple

 Notokanana ny marainan’ny Alakamisy, 06 septambra 2007 teo ny Commissariat de Sécurité Publique ao amin’ny Commune Urbaine BETAFO,faritra VAKINANKARATRA.
Trano lehibe iray misy rihana,ahitana efitrano miisa 16, ankoatry ireo efitra madinidinika toy ny fitanana olo-meloka na violon . Un milliard 200 millions Fmg na 240.000.000Ar ny teti-bidin’ny fanorenana ity Commissariat ity. Ny commune no nanome ny toerana nanorenana ny trano fa ny sekretariam-panjakana misahana ny filaminam-bahoaka no niantoka ny fanorenana ny trano sy ny fampitaovana ny ao anatiny.Polisy miisa 24 no mampandeha ny raharaha ao amin’ny Commissariat amin’izao fotoana fisokafany izao,izay ezahana ny hahafeno azy ho 35 . Efa telo taona eo ho eo no nisian’ny Commissariat de Sécurité Publique tany BETAFO saingy trano nohofaina no niasana dia izao  nahazo trano fiasana vaovao izao.
Tonga nitarika ny lanonam-pitokanana tany an-toerana ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Charles RABEMANANJARA ,  nisolotena ny Filohan’ny Repoblika , izay nanipika fa asa sarotra sy asa mafy mety hamoizana  aina ny asan’ny Polisy,mahatratra folo isan-taona ireo Polisy namoy ny ainy . Araka izany dia ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fanomezan-tanana avy amin’ny rehetra amin’ny fitandroana sy fampanjakana ny fandriamampahalemana . Nanao antso ho amin’ny fiaraha-miasan’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena ary ireo Sefom-pokontany ny Praiminisitra mba hisian’ny Fandriampahalemana maharitra.

Nohararaotin’Andriamatoa Praiminisitra ity lanonam-pitokanana ity nanolorana tamin’ny vahoaka ireo sefom-pokontany avy amin’ny Commune BETAFO.

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RASOLOFOMANANA Désiré kosa dia nanambara fa fanatantehana ny MAP izao fananganana Commissariat de Sécurité Publique izao satria tsy misy fampandrosoana vanona raha tsy misy fandriamapahalemana . Raha nitodika tamin’ireo Polisy voatendry hiasa any an-toerana izy dia nanantitrantitra fa natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny Polisy ka tsy tokony hanao rainazy ny asany . Miandry sy miantehatra aminareo ny vahoaka,hoy izy , mba hahafahany miasa sy mamokatra ampahatoniana . Noho izany,tokony hiasa tsara ,hiasa mafy ary hiasa haingana miaraka amin’ny vahoakan’ny BETAFO ny Polisy.
Ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena,ny Contrôleur Général de Police Jacky RAHAINGO kosa no nanoritsoritra  fa paikadin’ny Sekretariam-panjakana misahana ny filaminam-bahoaka ny fampananatonana any amin’ny vahoaka ny Polisy na ilay antsoina hoe Police de Proximité ka ho fanantaterahana izany dia atao vaindohan-draharaha ny fananganana Commissariat de Sécurité Publique isaky ny distrika ka telo isan-taona no ezahana tratrarina , raha ny tamin’ity taona ity dia faharoa ity notokanana tao BETAFO ity . Fito isan-taona kosa ny Poste de Police de Proximité ajoro. Izany no natao, hoy izy, dia ho fanamorana ny fampanjakana ny fandriamapahalemana.
Ny lehiben’ny Faritra VAKINANKARATRA , Andriamatoa RABENATOANDRO Lantonirina kosa dia nilaza fa matotra ny fiaraha-miasa  amin’ny Polisim-pirenena ao amin’ny Faritra VAKINANKARATRA.Vahoaka mamokatra ny vahoakan’ny faritry VAKINANKARATRA , mendrika fanohanana sy fanampiana ka zava-dehibe izao fananganana Commissariat de Sécurité Publique izao satria afaka mamokatra ampilaminana ny vahoaka..
Ny Ben’ny Tanànan’ny Commune Urbaine BETAFO, Andriamatoa RAMIARAMANANA no nanambara fa nahavita ny fanambiny ny ao BETAFO amin’ny fanatanterahana ny MAP satria efa misokatra amin’ny vazan-tany ry zareo noho ny fahatongavan’ny Téléphone CELTEL sy TELMA any; izao indray dia tafapetraka ny Commissariat de Sécurité Publique .Nangataka  izy ny mba hanamboarana ny tranon’ny Zandarimariam-pirenena sy hanolorana fiara 4x4 tsy mataho-dalana ho an’ny Polisy

Dernière mise à jour : ( 11-09-2007 )
 
< Précédent   Suivant >