| VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA |
|
|
|
| Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel | |||
| 02-07-2007 | |||
Nampandre ny Polisy Malagasy ny Polisy Maorisiana fa hisy teratany Maorisiana lahy sy vavy ho avy aty MADAGASIKARA ka mitondra zava-mahadomelina antsoina hoe Héroïne.Nalefan’izy ireo taty MADAGASIKARA ny fisy misy ny sarin’ireo olona roa ireo.Ny Zoma,22 juin 2007 tamin’ny 11 ora sy 55mn dia tonga tamin’ny fiaramanidina AIR MADAGASIKARA tokoa ireo teratany maorisiana voalazan’ny Polisy Maorisiana ,niaraka tamin’ny roalahy hafa.Nandray TAXI izy ireo ary nivantana tao amin’ny Annexe ANJARY HOTEL ny telo fa ny iray kosa teny amin’ny vehivavy sakaizany teny amin’ny 67HA.Natao hatrany ny fitsongoana dia azy ireo,tsikaritry ny Polisy ny fifamezivezen’izy ireo.Ny SABOTSY,23 juin 2007 tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina dia nisy tera-tany Keniana roa tonga amin’izy ireo tao amin’ny ANJARY HOTEL.Rehefa niala tao ireo Afrikanina roa ireo dia nandeha teny amin’ny HOTEL AZIA TROPIC ANTANINANDRO. Ny tolakandro dia nifindra tao amin’ny TAJ HOTEL ny iray.Marihina fa làlana sahabo ho 100m dia nandehanany TAXI.Ny telo sisa kosa niala tao amin’ny Annexe ANJARY HOTEL ka nifindra tao amin’ny ANJARY HOTEL. Tokony ho tamin’ny 3 ora dia nandeha teny amin’ny 67HA ireo maorisinina telo.Nanomboka teo ny hetsiky ny Polisy ;natao ny fisavana ny trano ka nahitana fonosana héroïne 800g.Teo ampisavana ny trano ireo Polisy no nisy nandona ka vehivavy karana iray sy ny vadiny izay tera-tany maorisiana.Rehefa nivoha ny trano dia nilaza tamin’ireto vahininy ny tao an-trano fa Polisy ireto ka mandehana..Nandositra ireto karana mivady nefa tratran’ny Polisy ihany. Natao ny fisavana ny tao amin’ny ANJARY HOTEL sy ny TAJ HOTEL nefa tsy nahitana na inona na inona .Natao ny fisavana teny amin’ny AZIA TROPIC ka nahitana Héroïne 200g.Nilaza ilay lehilahy Afrikanina fa tsy azy io fa an’ny anabaviny.Voasambotra ihany koa ilay vehivavy Afrikanina rehefa niverina tao amin’ny HOTEL.Nosamborina ihany koa ilay vehivavy tompon-trano teny amin’ny 67HA sy ny lehilahy iray irakirak’izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana dia tsy nety namaly izy ireo ka nilaza fa tsy fantany akory ny fisian’ireo tao amin’ny efi-tranony ary tsy azy ireo. Androany no natolotra ny fitsarana izy ireo. |
|||
| Dernière mise à jour : ( 10-07-2007 ) | |||
| < Précédent | Suivant > |
|---|



