|
DPSP 1 AMBOHIDAHY sy Commissariat Central ATSIMON-DRANO |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
01-06-2007 |
|
Noho ny fanampian’ny olon-tsotra sy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Polisy avy ao amin’ny Faritany AMBOHIDAHY sy ny avy any amin’ny Commissariat Central ATSIMON-DRANO dia voasambotra ireto jiolahy nahavanon-doza nandroba fivarotana sy namono nitifitra olona teny ANKARAOBATO tamin’ny harivan’ny Talata, 20 Mars 2007 tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka folo minitra. Nidiran’ireto jiolahy ireto ankeriny ny mpivarotra enta-madinika sady mpamongady Akondro eny ANKARAOBATO akaikin’ny biraon’ny Commune io harivan’ny talata, 20 mars 2007 io.Telolahy no niditra avy hatrany tao amin’ilay fivarotana fa ny roalahy kosa niandry tety ivelany. Araka ny voalazan’ireo nanatrika ny trangan-javatra teny an-toerana dia basy Pistolet telo no nentin’ireto jiolahy ireto nanao fanafihana. Nifanojo tamin’ny nidiran’ireto jiolahy ireto tao amin’ilay fivarotana no nisy mpivady niditra ihany koa hividy vary.Noteren’ireto jiolahy ireto hamoaka ny vola matiny ilay mpivarotra no sady namahana ny basy teny aminy ny iray tamin’izy ireo. Nasainy niondrika ambany ilay mpivarotra sy ny mpanampy azy ary ilay olona mivady mpiantsena.Tamin’izany indrindra no tafaporitsaka nivoaka nandositra ilay mpivarotra sy ny mpanampy azy. Ilay lehilahy mpiantsena kosa raha sendra niherika nijery ny vadiny no noheverin’ireto jiolahy fa hihetsika hamely ka dia notifiriny avy hatrany teo amin’ny lohany. Naheno poa-basy ny olona,avy rahateo ny orana ka be mpihaloka,ilay tsena rahateo akaikin’ny biraon’ny Commune.Tamin’izany indrindra no nitifitra ireo niandry tety ivelany ka vehivavy iray no voatifitra teo amin’ny masony.Tamin’izany no nanararaotra nandositra izy dimy lahy.Ireto olona roa voatifitra kosa tsy tana ny ainy . Tamin’ireo olona nanatrika ny tranga teny an-toerana no nahatadidy ny andriky ireto jiolahy ka nanatona ny Polisy .Ny talata,27 marsa teo no voasambotra ny telolahy.ary ny Alakamisy 29 Marsa ny roalahy. Samy efa nigadra daholo izy 05 lahy ireto.
|
|
Dernière mise à jour : ( 01-06-2007 )
|