Menu Content/Inhalt
Accueil arrow Bulletin de liaison
Vous êtes le ième visiteur(s)
Bulletin de liaison version 5 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
30-05-2007

Sambatra raha samy sambatra, hono, ny     eny AMBOHIMANGA, manana an’i
FIDASIANA kianja filalaovana;
FIDASIANA kianja filalaovana eo ihany, fa
AMBATOMIATENDRO fitazatazanana manginy fotsiny. Tretrika raha samy tretrika ny eny ILAFY manana ireo hazo mijoalajoala fialokalofana. Fa mananjara kosa isika Polisim-pirenena nakamban’ny valabe iray dia ny Departemantan’ny Sekretariam-panjakana Misahana ny Filaminam-bahoaka.
Matoa ny Fitondram-panjakana nametraka antsika Polisim-pirenena ho Departemanta iray mahaleo tena dia noho ny fahatsapany fa hery iray manana ny maha-izy azy tsy azo hozongozonina na samatsamahana isika.
Ka ny amin’izay indrindra no tiako hisarihana ny saintsika Polisy. Ireo zoky Ray aman-dReny efa nanao matoandahantsoratra (Editorial) tamin’ireo Bulletin de Liaison teo aloha dia efa samy niresaka sy nanamafy ny tokony hifankatiavan’ny samy Polisy. Aoka tsy ataontsika ho efitra manasaraka antsika ka ahatonga tsy fifankahazoana na fihafahafana eo amin’ny samy Polisy ny fisian’ireo
Directions sy Services isan-tokony eo anivon’ny Polisim-pirenena. Natao ireny mba hanamorana ny fampandehanan-draharaha fa tsy natao hampizarazara antsika akory.
Misy tokoa mantsy ireo Polisy sasany, tsy te hahalala afa-tsy izay iray Directions na iray Services aminy; ireny ihany no namany, ireny ihany no mpiara-miasa aminy.
Eo amin’ny lafin’ny fifanajana indray dia misy ny tsy fanajana ireo lehibe sasany satria tsy lehibeny mivantana.
Andao azera ny rindrina na ny efitra manasaratsaraka antsika. Akambano ny hery fa takian’ny asatsika izany sady antoky ny fahombiazana.
Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho antsika rehetra

RAZAFIMANANTSOA A. Tantely
Contrôleur Général de Police
Directeur des Opérations et 
Coordinations Techniques de Sécurité

ASSOCIATION

Amicale des Inspecteurs Généraux, des Contrôleurs Généraux et des
Commissaires de Police (A.I.G.C.G.C.P)

Nanao bemidina tany AMBANITSENA  tao amin’ny Camp FIP ny fikambanan’ny Amicale des Inspecteurs Généraux, des Contrôleurs Généraux et des Commissaires de Police (A.I.G.C.G.C.P), tamin’ny 18 Mars 2007, nanatanteraka ny fambolen-kazo. Ankoatry ny fambolena hazo vaovao 200 fototra: Kininina, Pin, Ravitsara dia nisy ny fikarakarana ireo efa voavoly
tamin’ny taona lasa. Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police
RASOLOFOMANANA Désiré sy ny Minisitra teo aloha, ny Inspecteur Général de Police  RAZAKANIRINA Lucien Victor ary ny Ben’ny Tananan’AMBANITSENA.
Ny tolakandro taorian’ny fiaraha-misakafo dia niroso tamin’ny fiarahana niala voly ny rehetra: Hirahira, Fandihizana, Fanatanjahan-tena, sns…
Fantatra fa hanatanteraka ny Nuit des Commissaires de Police ny Fikambanana ny alin’ny Zoma, 01 Juin 2007.
Nitarika ny fotoana tany an-toerana ny filohan’ny Fikambanana, ny Commissaire de Police RATSIROMBAHANA Germain.                 RAS

FIKAMBANAN’NY VADIN’NY POLISY SY VEHIVAVY POLISY

Fitsidihana sy fanolorana fanampiana ho an’ireo ankizy miisa 55 tezaina ao amin’ny Akany fitaizana ireo zanaky ny Polisy maty am-perinasa any AMBATOLAMPY no nentin’ny fikambanan’ny Vadin’ny Polisy sy ny Vehivavy Polisy nanamarika ny 8 Marsa andron’ny vehivavy. Ny Filohan’ny fikambanana, Ramatoa BARITOA RAZAKA
Harisoa Solonirina  no nitarika ireo vehivavy mpikambana nandeha tany an-toerana. Notoloran’izy ireo lelavola
AR 400.000 ny Akany, niampy karazan-javatra toy ny savony, siramamy, tee-shirt, akanjo samihafa, kilalao ary fitaovam-pianarana. Mitentina AR 600.000 ireto farany ireto.
Nanao fanamby ho an’ireto ankizy beazina ao amin’ny Akany ny Fikambanan’ny Vadin’ny Polisy sy ny
vehivavy Polisy fa hanokafan-dry zareo bokim-bola ao amin’ny Caisse d’Épargne ireo izay
afa-panadinana ara-panjakana.
Ireo mpanabe sy ny vadiny avy kosa dia hotoloran’ny Fikambanana lambahoany sy Tee-shirt misy fanentanana momba ny ady amin’ny aretina SIDA.
Tamin’ny fandraisam-pitenenana no nitondran’ny Filohan’ny Fikambanana teny fankaherezana sy famporisihana ireto ankizy hianatra tsara, fa io no lova tsara indrindra.

Ny Inspecteur Principal de Police RABOTOARISON tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Akany no
nitondra ny teny fisaorana tamin’ny anaran’ireto ankizy ireto.                                                  RAS

APOPM sy ABAPM: MATY SA MATORY?

Samy manana ny fikambanany  ireo Ambaratonga efatra misy eto anivon’ny Polisim-pirenena. Ny an’ny Commissaire de Police dia ny Amicale des Inspecteurs Généraux, des Contrôleurs Généraux et des
Commissaires de Police (A.I.G.C.G.C.P); ny an’ny Officier de Police dia ny Association Professionnelle des Officiers de Police de Madagascar (APOPM), ny an’ny Inspecteur de Police dia ny Association Professionnelle et Amicale des Inspecteurs de Police de Madagascar (APAIPM), ary ny an’ny Agent de Police dia ny Association des
Brigadiers et Agents de Police de Madagascar (ABAPM) na ny AMABRIPO teo aloha.
Tato ho ato dia ny A.I.G.C.G.C.P sy ny APAIPM no re mihetsiketsika sy manao zavatra fa ny  APOPM sy ny ABAPM kosa dia tsy hita mihitsy.
Ny ABAPM dia re fa vao nanavao ny birao mpitarika ka angamba mbola eo ampikenokenonana fa ny APOPM kosa tsy re maty tsy re velona. Fa nankaiza ny olo-maventin’ireo corps ireo, sa tonga amin’ilay fitenenana hoe: « Kijana nilaozan’ombalahy sa tendrombohitra nilaozam-bato »?       RAS

APAIPM: FIALAN-TSINY

Ialana tsiny amin’ny Birao sy ny mpikambana APAIPM ny fahadisoana tamin’ny fanalavana ny anaran’ny fikambanana tamin’ny Bulletin de liaison farany teo. Ny marina dia ny hoe Association Professionnelle et Amicale des Inspecteurs de Police de Madagascar.
Ny mihinam-bary aza misy latsaka e!

Dernière mise à jour : ( 01-06-2007 )