Menu Content/Inhalt
Accueil arrow Associations
Vous êtes le ième visiteur(s)
VAOVAO AVY FIKAMBANAN'NY INSPECTEUR DE POLICE Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par Administrator   
18-05-2007

vaovao avy APAIPM

Noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona dia tsy nanadino ny zanaky ny mpikambana sy ireo mpikambana ao amin’ny Association Professionnelle et Amicale des Inspecteurs de Police de Madagascar (APAIPM), ny tolokandron’ny Alahady, 23 Décembre 2007 teny amin’ny Cercle Mess de la Police Nationale ANTANIMORA dia nizara kilalao sy vatomamy ho an’ireo ankizy zanaky ny mpikambana sy gisa, menaka, vary, zava-pisotro (jus) ho an’ny mpikambana tsirairay. Miisa 200 ny mpikambana ka vola mitentina 35 Millions FMG no nenti-nanana ireto fanomezana ireto araka ny filazan’ny Filohany, ny Inspecteur Principale de Police de Classe Exceptionnelle RABENAHY Evariste Mario, ny Talen’ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola eo anivon’ny Polisim-pirenena, ny Commissaire Principal de Police RAKOTONARIVO Edmond no nitarika ny lanonana, nisolo-tena ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena.

vaovaon'ny ABAPM

Notanterahana ny Asabotsy 08  Mars lasa teo iny ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra 2008 teo amin’ny mpikambana ao amin’ny ABAPM na ( Association des Brigadiers et Agents de Police de Madagascar ) ka tao amin’ny CEMES ny Polisy eny Antanimora no toerana nifamotoanana tamin’izany.
Nandray fitenenana tamin’izany ny filoha Nasionalin’ny fikambanana ny BCP (Brigadier en de Police) RAPANDRANTO Andrianavalona izay nanoritsoritany fa tsy maintsy hohamafisina ny firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ity Corps ity satria anisan’ny kitro hifaharan’ny asan’ny polisy  ny Brigadiers sy Agents de Police  ary izy ireo ihany koa no maro an’isa raha mitaha amin’ireo corps hafa misy ato amin’ny Polisim-pirenena .Nanentana ireo mbola tsy niditra izy ny mba tsy hisalasala hanamafy orina ny fikambanana satria mbola ,200 mahery eo izao no nisoratra ho mpikambana ary 20 amin’ireo ny membres de bureau national. Ny tanjona amin’ity taona ity dia ny hananganana ny Bureau Regional ny ABAPM any amin’ireo faritany 6  eto Madagasikara hoy ny filohan’ny ABAPM tamin’ny lahateny nataony.
Tonga teny an-toerana ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ny Contrôleur Général de police TALBOT Antonin Alexis nanome voninahitra ity lanonana ity.Ary nofaranana tamin’ny korana  sy dihy ny fifampiarahabana tratry ny taona.

       

Fikambanan'ny Polisy vavy sy Vadin'ny Polisy

Fa nanatanteraka ny azy koa ny fikambanan’ny vehivavy Polisy sy ny Vadin’ny Polisy notarihan’ny Filohany, Ramatoa BARITOA Solonirina. Gisa, menaka fihinana, vary no nozaraina tamin’ny mpikambana tamin’ny SABOTSY, 22 Décembre 2007, teny amin’ny Cercle Mess de la Police Nationale ANTANIMORA

 Hetsika nataon'ny Fikambanan'ny Polisy vavy sy Vadin'ny Polisy

Notontosaina tamin’ny marainan’ny Sabotsy, 16 Febroary 2008 teo teny amin’ny MESS ANTANIMORA ny fifampiarahabana noho ny  taona vaovao teo amin’ny Fikambanan’ny vadin’ny Polisy sy ny vehivavy Polisy.Nitarika ny lanonana nisolo-tena ny ministry ny filaminam-bahoaka ny Talen’ny sekolim-pirenena Ambony ho an’ny polisy , ny Contrôleur Général de Police RAMAMONJISOA Bertrand, notronin’ireo Tale sy lehiben’ny Sampan-draharaha samihafa eo anivon’ny Polisim-pirenena.
      Ny Filohan’ny Fikambanan’ny vadin’ny Polisy sy ny vehivavy Polisy, Ramatoa BARITOA RAZAKA Harisoa Soloniaina dia nanoritsoritra tamin’ny kabary nataony fa velona sy miaina ny Fikambanana ary sahy mandray ny andraikitra tandrify azy araka izay zakan’ny heriny.
Koa mba ho fandraisan’ny fikambanana anjara amin’ny fiahiana ireo ankizy kambotin’ny Polisim-pirenena taizaina any AMBATOLAMPY dia nanolotra lelavola 400.000 Ar, fotsimbary 2 gony, savony, siramamy, biscuits sy Bonbons ary Carnet Caisse d’Epargne ho an’ireo ankizy afa-panadinana ara-panjakana  ny Fikambanana.
    Raha nandray fitenenana kosa ny Talen’ny Sekolim-pirenana ambony ho an’ny Polisy dia tamin’ny anaran’ny Minisitra no nanolorany fisaorana feno ho an’ny Fikambanana noho ny fitsinjovany ireo ankizy kambotin’ny Polisy.
Zava-dehibe, hoy izy, ny fisian’ny Fikambanana mijoro toy izao eo anivon’ny Polisim-pirenena amin’ny fiahiana ny asa sosialy.
Nisy ny fiaraha-misakafo ka omby iray no novonoina niaraha-komana ho

nofon-kena mitam-pihavanana.
 

Dernière mise à jour : ( 14-03-2008 )