|
- Fitsidihana nataon'ny Minisitry ny Filaminana anatiny tany @ Faritra AMORON’I MANIA |
|
|
|
|
04-03-2010 |
|
Nanao fitsidihana narahan’asa tany amin’ny Faritra AMORON’I MANIA ny Minisitry ny filaminana anatiny, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMIHANTARIZAKA Organès izay sady zanak’iny faritra iny rahateo. Ny Zoma, 26 Février 2010 izy dia nanatrika ny Hetsika ara-kolontsaina sy fanatanjahantena misalotra ny anarana hoe GEBAGEBA. Nitondra ny anjara-birikiny tamin’izany hetsika izany ny Minisitra ka nanolotra fanampiana ho an’ireo mpilalao nandray anjara tamin’iny fifaninana sy ireo Mpitsara. Nitsidika ny fizotry ny asa fanamboarana ny trano vaovaon’ny Commissariat de Police tany an-toerana ny tenany, efa ny 70% ny asa no vita. Nisy ny fihaonana sy fiaraha-misakafo tamin’ireo Ray aman-dReny teo an-tanana ka tamin’izany no nanantitranterany ny tokony hanamafisana ny firaisankina. Nandritra ny hetsika Gebageba no nanamarihan’ny Minisitra fa toy ny fiatrehana taranjam-panatanjahantena iray toy ny baolina kitra ny fampandrosoana ny firenena ka ilana tetika maty paika raha te handresy. Rehefa miara-mientana isika dia tsy maintsy tafita ary tsy maintsy mandroso Madagasikara. Ny Sabotsy, 27 Février 2010 kosa dia tany AMBATOFINANDRAHANA ny Minisitra ka tamin’izany no nanolorany tracteur telo ho an’ny mponina any an-toerana miaraka amin’ny solika hampiasaina amin’izany. Nisy ihany koa ny fanolorana latabatra sy seza ary solosaina ho an’ireo sekoly any an-toerana, nisy ihany koa ny fanolorana Kit scolaire. Nohantitraterin’ny Minisitra ny tokony hanajana sy hitandremana ny fitaovana vao azo toy izao.
|
|
Dernière mise à jour : ( 05-03-2010 )
|