Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow - Tratran'ny Polisin'ny tanjombato ny namono ilay ramatoa teny Ambohimanatrika Tanjombato
Vous êtes le ième visiteur(s)
- Tratran'ny Polisin'ny tanjombato ny namono ilay ramatoa teny Ambohimanatrika Tanjombato Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
26-02-2010

Ramatoa lehibe iray manodidina ny 70 taona, mipetraka amin’ny tokantrano iray miaraka amin’ny zanany lahy, no maty tao amin’ity tokantrano ity teny AMBOHIMANATRIKA TANJOMBATO ny 13 Novembre 2009. Noho ny fahitana teo amin’ny razana fa mangana be ny tarehiny, dia nametraka fitoriana teny amin’ny Fitsarana ANOSY ireo zanany hafa.
Nalefan’ny fitsarana hosahanin’ny Commissariat Central TANJOMBATO ny raharaha hanaovana ny fanadihadiana. Ny volana Janoary 2010 no nivaly ny fanadihadiana ka voaporofo fa maty vokatry ny vono nahazo azy ilay Ramatoa. Ilay vehivavy vinanton’ilay ramatoa izay ipetrahany ihany no niantefan’ny ahiahin’ny Polisy.  Natao ny fikarohana ity vehivavy ity, efa nifindra trano teny SAROPODY TANJOMBATO anefa izy mivady ny volana Janoary 2010, iray volana sy tapany ihany anefa no nipetrahan’izy ireo tao amin’io trano io fa efa nifindra nanofa hotely iray etsy TSARALALANA. Tao amin’io Hotely io no nisamboran’ny Polisy ilay vehivavy vinanton’ny Maty. Niaiky ny heloka nataony ity vinanto vavy ity, na ilay vadiny izay zanak’ilay Ramatoa maty aza dia tsy nahalala akory izany trangan-javatra izany, fa dia norebireben’ilay vadiny fotsiny,  izy ireo koa moa sady tsy mbola niteraka no mbola tsy vita raharaha ara-panambadiana. Nolazany fa manahirana azy hono ny miara- miaina amin’ity Rafozam-baviny ity noho io miteny azy foana amin’ny raharaha tokantranony.  RAVELONANDRO Tahiana Lala Françoise, 27 Taona.
Ilay ramatoa mpanampy vaviny ihany no nirahiny sy nokaramainy nanatanteraka ny famonoana ilay Rafozany, RASOARIMALALA Vololoniaina Clarisse, 39 taona.
Marihana fa tamin’io fotoana nisamboran’ny Polisy azy, dia efa nihomana ny handeha hitsoaka any MAHAJANGA  I Tahiana. Tamin’ny famotorana natao taminy no nanondroany io vehivavy mpanampy azy io. Nosamborin’ny Polisy teny amin’ny tranony teny AMBOHIMANATRIKA TANJOMBATO ilay mpanampy vavy.
Efa natolotra ny Fitsarana ny raharaha.

Dernière mise à jour : ( 26-02-2010 )
 
< Précédent   Suivant >