Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow - Jiolahy tratran'ny GIR nandritra ny fisafoana nataony
Vous êtes le ième visiteur(s)
- Jiolahy tratran'ny GIR nandritra ny fisafoana nataony Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
23-02-2010

Jiolahy iray maty voatifitra, roa azo sambo-belona, vokatry ny fisafoana nataon’ny Polisin’ny GIR ny alin’ny Alakamisy, 18 Fevrier 2010 teo ANDREFAN’AMBOHIJANAHARY, akaikin’ny Arrêt-n’ny BUS mankany ANDOHARANOFOTSY. Lehilahy iray nitondra Malette no efa narahin’izy ireo saika hendahany, teo amin’ny tamin’ny 10 ora alina teo. Vao nahatsikaritra ny Polisy ireto jiolahy ireto dia nirifatra nandositra.
Raikitra ny fanenjehana nihazo ny faritry ny CASINO PRISME, nanao tifi-danitra fampitandremana azy ireo ny Polisy mba hijanonany. Tifitra no nasetrin’ireto jiolahy izany ka voatery namaly ny Polisy ka lavo ny Jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe RABETSY. Jiolahy efa ela no nikarohan’ny Polisy azy. Voasambotra ny roa dia RANDRIANAIVOHARISON Daniel antsoina hoe Lanto monina eny ANDRANOMANALINA, 24 Taona; RAKOTONIRINA Heriniaina Fidèle, 27 taona monina eny ANDREFAN’AMBOHIJANAHARY.
Tafaporitsaka kosa ny jiolahy iray nitondra ny basy. Niaiky ny heloka nataony ireto roalahy tratra ireto ary nanambara fa any amin’ilay namany nandositra ny basy saingy tsy hitany ny tranony noho izy ireo tsy mifanoro trano.

 

Dernière mise à jour : ( 23-02-2010 )
 
< Précédent   Suivant >