|
- Tra-tehaka ireo mpangalatra taribin'ny JIRAMA |
|
|
|
|
19-02-2010 |
|
Tra-tehakin’ny Polisy avy ao amin’ny Commissariat de Police 6ème Arrondissement eny AMBOHIMANARINA AMBODIMITA ny Alarobia 17.02.10 tokony ho tamin’ny 02 ora maraina ny mpangalatra taribin’ny JIRAMA nadritra ny fisafoana natao teny 67 Ha. Taribia teny amin’ny làlana Boulevard de l’Europe. Efa-dahy izy ireo fa ny iray no voasambotra ; tafaporitsaka kosa ny sasany. Mahatratra 600 metatra fitambaran’ny halavan’ireo tariby tratra. -RASOLONIAINA Olivier ; 21 taona mipetraka eny ANTANANDRANO ANKADIKELY ILAFY ary tsy manana anton’asa ity voasambotra ity. Niaiky ny heloka vitany izy tamin’ny famotorana natao azy ary nanondro ireo namany telolahy ambiny izay monina eny 67ha Hatolotra ny fitsarana rahampitso.
|
|
Dernière mise à jour : ( 19-02-2010 )
|