Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow - Vaovaon'ny Commissariat de Securité Interieur RANOHIRA
Vous êtes le ième visiteur(s)
- Vaovaon'ny Commissariat de Securité Interieur RANOHIRA Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
16-02-2010

Nanatanteraka lanonana fifampiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona vaovao 2010 ireo Polisy miasa ao amin’ny Commissariat de Securité Interieur RANOHIRA ao amin’ny Distrikan’IHOSY, Faritry IHOROMBE ka tao amin’ny RESTAURANT LE JOYAU DE L’ISALO no nanaovana izany tamin’ny 30  Janvier 2010.
Nitarika ny lanonana tany an-toerana nisolo-tena ny Minisitry ny Filaminana anatiny ny Talen’ny Fitantanam-bola sy ny fampitaovana eo anivon’ny Polisim-pirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTONARIVO Edmond, tonga tany ihany koa ny Tale Iraisam-paritry ny Polisim-pirenena any FIANARANTSOA.
Mba ho fampiharana ara-bakiteny ny hoe Polisim-pirenena manatona ny vahoaka dia tonga nifanotrona tamin’ny Polisy tamin’ity lanonana ity ireo manam-pahefana mpitondra any an-toerana nahitana ny  Ben’ny Tanana’i RANOHIRA, ny solontenan’ny lehiben’ny faritra IHOROMBE sy ny lehiben’ny Distrikan’IHOSY ary ireo mpandraharaha ara-toekarena sy sosialy any an-toerana.
Nambaran’ny lehiben’ny Commissariat de Sécurité Intérieur-n’i RANOHIRA, ny Officier Principal de Police ANDRIANONY Philibert fa isan’ny Commune mampiaina ny toekaren’i Madagasikara i RANOHIRA noho izy sehatry ny Fizahantany sy ny harena ankibon’ny tany ka tsy maintsy mifanome tanana sy miara-miasa ny mpitandro ny filaminana sy ny manam-pahefana sivily, ny mpandraharaha ary ny vahoaka amin’ny fampanjakana ny filaminana.

Dernière mise à jour : ( 16-02-2010 )
 
< Précédent   Suivant >