Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow - Fitsidihan'ny Praiminisitra teny @ FMIP Antanimora
Vous êtes le ième visiteur(s)
- Fitsidihan'ny Praiminisitra teny @ FMIP Antanimora Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
04-02-2010

 Tonga nitsidika sy nijery ny zava-misy teny amin’ny Tobin’ny Polisim-pirenena misy ny Forces  mobile d’Intervention de Police (FMIP) ANTANIMORA, androany (03.02.10) tamin’ny 10 ora maraina ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta CAMILLE VITAL. Izao fitsidihana izao dia tohin’ny fitsidihana efa nataony tamin’ireo Tobin-tafika samihafa misy eto Antananarivo toy ny teny amin’ny RAS AMPAHIBE, R3A BETONGOLO, GN BETONGOLO, FIGN FORT DUCHESNE. Niara-dia tamin’ny Praiminisitra tamin’izao fitsidihana Tobin-tafika izao ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben’ny Etamazaoro, ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ary ireo Manamboninahitra ambony maro eo anivon’ny Mpitandro ny filaminana.
Tamin’ny fandraisana fitenenana nataony no nilazan’ny Minisitry ny Filaminana anatiny, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMIHANTARIZAKA Organès, fa hery tsy afa-misaraka ny Tafika, ny Zandarimaria ary ny Polisy amin’ny Fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany ary ny Andrim-panjakana misy. Ny fitsidihan’Andriamatoa Praiminisitra ny Tobin’ny Polisim-pirenena dia mampiseho fa tsy manao fitondrana mitanila ny Fitondram-panjakana fa mitovy lanja ireo hery telo miahy ny Filaminana.
Andriamatoa Praiminisitra kosa dia nanao antso avo ho amin’ny fanamafisan ‘ ireo hery telo, Tafika, Zandary ary ny Polisy ny firaisankinany ka tsy tokony hibanjina zavatra hafa afa-tsy ny ho an’ny Tanindrazana. Nitodika tamin’ireo mpitandro ny Filaminana miditra amin’ny resaka Politika izy ka nanambara fa ny fanatontosana ny adidy ho an’ny Tanindrazana no tokony hatrehana.

Dernière mise à jour : ( 05-02-2010 )
 
< Précédent   Suivant >