Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow - Lanonana ara-miaramila roa sosona teny @ Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy eny IVATO
Vous êtes le ième visiteur(s)
- Lanonana ara-miaramila roa sosona teny @ Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy eny IVATO Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
18-01-2010

Lanonana ara-miaramila roa sosona no notanterahana teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny  Polisy eny IVATO androany Sabotsy, 16.01.10 maraina, notarihan’ny Minisitry ny Filaminana Anatiny, ny Côntroleur Général de Police RAKOTOMIHANTARIZAKA Organès.
Ny voalohany dia ny lanonana fanolorana faneva ny Tale Jeneralin’ny Fiofanana sy ny Fikarohana, ny Côntroleur Général de Police RANAIVOSON Dieudonné. Foibe fitantanan-draharaha vao natsangana eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminana Anatiny. Nodimbiasan’ny fanolorana faneva ny Tale vaovao hiandraikitra ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy eny IVATO, ny Contrôleur Général de Police RAKOTONDRAVAO Albert ary farany, ny fanolorana faneva ny tale vaovao hiadidy ny Sekolim-pirenena ho an’ny Inspecteurs sy ny Agents de Police any ANTSIRABE, ny Commissaire Principal de Police ANDRIAMANANTENA Victor.
Ny lanonana faharoa dia ny Fametrahana ambany faneva ireo mpianatra ho Polisy vaovao vao avy nahavita ny fiofanana ara-miaramila nandritra ny roa volana. Ireo mpianatra ho Commissaire de Police, andiany faha-18 sy ireo mpianatra ho Officier de Police, andiany faha-19 mianatra ao amin’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy eny IVATO amin’ny izao fotoana izao, misalotra ny anarana hoe Andiany MIJORO.
Ireo mpianatra ho Inspecteur de Police sy Agent de Police mianatra any amin’ny  Sekolim-pirenena ho an’ny Inspecteurs de Police sy Agents de Police any ANTSIRABE  ankehitriny, mitondra ny anarana hoe Andiany AINGA.
Ireo mpianatra ho Commissaire de Police dia miisa 29 ka roa no vehivavy. Ireo mpianatra ho Officier de Police kosa dia miisa 49 ka 11 no vehivavy. Roa taoana ny faharetan’ny fianarana.
Ireo mpianatra ho Inspecteur de Police miisa 50 ary ny mpianatra ho Agents de Police dia miisa 725. Sivy volana ny faharetan’ny fianarana avy eo manaraka fiofanana arak’asa (stage pratique).
Nambaran’ny Minisitry ny Filaminana anatiny tamin’ny Kabariny fa tsy asa mora ny asan’ny Polisy fa asa sarotra nefa asa masina. Ny Polisy rehetra dia tsy maintsy eo ambanin’ny lalàna sy ny fitsipika. Raha nitodika tamin’ireo mpianatra ho Polisy izy dia nilaza fa ny olona mety miova ka miovà amin’ny tsara, avelao izay toetra ratsy nahazatra anareo tany amin’ny fiainana naha-olon-tsotra anareo talohan’ny nidirana taty amin’ny Sekolin’ny Polisy, aoka tsy hisy sy tsy ho re intsony ny Polisy mandika lalàna ka miaraka amin’ny Jiolahy.  Nambarany ihany koa fa hatsangana ny Police touristique hisahana manokana ny fiahiana ireo mpizaha tany, hatsangana ihany koa ny Police Communautaire hanamafisana ny fitandroana ny filaminana isam-pokontany.

Dernière mise à jour : ( 18-01-2010 )
 
< Précédent   Suivant >