Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow - Tratran'ny Polisin'ny CSP3 ilay mpamaky trano tetsy Ankadifotsy
Vous êtes le ième visiteur(s)
- Tratran'ny Polisin'ny CSP3 ilay mpamaky trano tetsy Ankadifotsy Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
18-01-2010

Jiolahy iray no naratra mafy voatifitry ny Polisin’ny Commissariat de Police 3ème Arrondissament ANTANINANDRO teny ANKADIFOTSY androany (Zoma, 15.01.10) maraina tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany. Nahazo antso an-telefaonina ny Polisy fa misy mpamaky trano eny amin’ny Faritra ANKADIFOTSY. Toeram-pivarotana ity misy mamaky ity. Vao naharay ny antso ny Polisy dia namojy avy hatrany ny toerana voalaza. Nifanehatra tamin’ny lehilahy dimy nitondra entana maromaro ny Polisy, nitondra basy ny iray ka avy hatrany dia nitifitra ny Polisy ka lavo naratra ilay iray nitondra basy, RAFANOMEZANTSOA Tojonirina Marcellin, 27 taona, mpitaona biriky eny ANTSAPANDRANO ary monina eny ihany. Ny sisa kosa dia vaky nandositra ary tsy voahenjika noho ny aizina.
Tratra teny amin’ity jiolahy ity ny basy P.M MAT 49 miaraka amin’ny bala telo sy boite chargeur iray efa nasiam-panovana, entam-barotra maromaro toy ny café, sira, menaka stylo, savony,sy ny maro hafa, guitar, ary Radio mini-chaine roa, barre à pince lehibe sy pince coupante lehibe.
Nitapahan-dry zareo tamin’ny pince à coupante ny savily dia niditra izy dimy lahy tsy nisaron-tava. Nambanany basy sy antsy ny tompon-trano, nisy lehilahy iray naratra nokapohan-dry zalahy teo amin’ny lohany.
Tsaboina eny amin’ny HJRA ity jiolahy ity.

-----------------------------------------------------------------

Lehilahy iray mpanendaka sy mpanao sinto-mahery no voasambotry ny Fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana teny AMBATOMARO, androany 15.01.10 tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. RANDRIARIMANANA Augustin, 28 taona, monina eny MANJAKARAY. Tovovavy iray monina eny AMBATOMARO avy niantsena no narahin’ny telolahy, nalavony tamin’ny tany ary notapenany ny vavany. Nendahin-dry zareo ny rojo volamena teny aminy. Nahantso vonjeo ihany ilay tovovavy.
Nifanenjehana ireto jiolahy ka tratra ny iray.
Nalatsany tamin’ny tany ilay rojo volamena fa ny pendatif kosa tsy hita.

Dernière mise à jour : ( 18-01-2010 )
 
< Précédent   Suivant >