Menu Content/Inhalt
Accueil arrow News arrow Dernières news arrow - Vaovao avy amin'ny GIR
Vous êtes le ième visiteur(s)
- Vaovao avy amin'ny GIR Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
25-11-2009

Nahazo loharanom-baovao ny GIR  fa hanafika mpivarotra MOTO eny AVARADOHA  I ANDRY sy ZAZA ny Alahady 22.11.09 . Tsy tanteraka anefa izany , fa nahazo loharanom-baovao hafa indray ny GIR fa ho andrasan’izy roalahy hivoaka ny tranony eny Antsahamamy ilay tompon’ilay fivarotana saika hotafihany ny Alahady fa hitondra lelavola 11 millions fmg hiantsenana ny 23.11.09.
Novonjen’ny Polisy teny amin’ny terrain Basket teny Ankatso izay toerana nifanaovan’izy roalahy  fotoana hakana basy . Natonon’ireo polisy izy roalahy tokony ho taminin’ny 10 ora maraina ary nanontaniana ny fitaovana tany aminy. Zazah no nilaza fa any an-tranony any Ambohipo tanàna ny basy ka nalaina teny avy hatrany. Marque MAB io basy io ary niaraka tamin’ny bala telo (7 mm) nalaina avy hatrany.
Nolazain’izy ireo fa sakaizan’I Zazah antsoina hoe Hasina, izay efa voasambotra ary mpifanolobodirindrina amin’ilay tompon’ny fivarotana saika hotafihina monina eny Antsahamamy ihany no nanome ny vaovao azy ireo sy ny fisian’ny vola.
Marihina fa efa malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana eto Andrenivohitra sy ny manodidina I Andry sy Zazah .
Efa karohana mikasika halatra fiara teny Antsakaviro sy moto teny Ankatso ihany koa.
Ny Boribori-tany  faha-2 ny kaomisaria ny polisy ao Ambohijatovo no mandray an-tananana ny raharaha.

Dernière mise à jour : ( 25-11-2009 )
 
< Précédent   Suivant >