|
- Tratra ambodiomby ireo mpangaropaosy tetsy Mahamasina |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
25-11-2009 |
|
Fololahy tratra ambondiomby nangarom-paosy no voasambotry ny POLISY avy ao amin’ny boriboritany faha-5 MAHAMASINA nandritra ny tsenan’Alakamisy ny 19Novambre2009 lasa teo. Izany dia vokatry ny « OPERATION TANDROKA » tontosain’ny Polisim-pirenena efa roa herinandro izao, araky ny baikon’ny MINISTRY NY FILAMINANA ANATINY, mba ho fampandrina fahalemana ny renivohitra . Voakasika sy anaovana hetsika manokana amin’izany ny tsena rehetra sy ny arrêt bus izay voalaza fa mafana. Ny Alakamisy 12 novambre 2009 dia folo mianadahy ihany koa Vehivavy telo sy lehilahy fito no tratra ambodiomby teo amin’ny tsenan’ny MAHAMASINA vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny GIR (groupe d’intervention rapide) sy ny SAG (service anti-gang). Samy efa voatazona vonjimaika eny Antanimora avokoa izy rehetra ireo
|
|
Dernière mise à jour : ( 25-11-2009 )
|