|
- Fanolorana Galona Jeneraly |
|
|
|
|
|
- Fitokanana ny trano lehibe hiasan’ny Police Judiciaire sy ny Police Economoque DIRPN Antsiranana |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
30-07-2010 |
|
Notanterahana tany ANTSIRANANA ny Sabotsy 24/07/10 teo ny lanonana nentina nanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny trano lehibe hiasan’ny Direction inter-Regionale-ny Police Judiciaire sy ny Police Economique ao amin’ny Faritanin’ny ANTSIRANANA ka ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Gouvernemanta Camille Albert VITAL no tonga nitokana izany tamin’ny Fomba ofisialy. Eo antampon-tanàna no misy azy ary mifanila ny tranon’ny Commissariat Central, vaovao tokoa ity trano ity ary manana efitra miisa 24. Roa taona no fetra nanamboarana azy ary nitentina 450 Millions Ariary ny teti- bidiny. Manampahefana maro no tonga teny an-toerana namaly ny fanasan’ny Polisim-pirenena dia ny, Ben’ny Tananan’ny ANTSIRANANA I, ny lehiben’ny Distrika, ny Lehiben’ny Faritra DIANA izay avy nanome fiara MINI BUS iray ny Polisy eo an-toerana hanaovana ny asany, ary mbola nanome tamin’ny fomba ofisialy ihany koa MOTO marika BOXER 125cc miisa valo entina hiasan’ny Polisim-pirenena manerana ny Faritry DIANA. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Fahasalamana, Minisitry ny Atitany, Minisitry ny Varotra ary ny Vice HAT Patrick MONIBOU. Ary ireo tale isan-tsokajiny ao anivon’ny Polisim-pirenena izay tarihan’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ny Contrôleur General de Police RAKOTONDRATSIMA Desiré Jonhson. Tamin’ny fandraisam-pitenenan’ny Minisitry ny Filaminana anatiny ny Contrôleur Générala de Police RAKOTOMIHANTARIZAKA Organès, no nilazany fa ny fisian’izao trano lehibe vao namboarina izao no mariky ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena ary koa entina hampandriana fahalemana ny vahoaka, ary ho mariky ny fiaraha miasa eo amin’ny Polisy sy ny vahoaka satria dia vary sy rano izy ireo ka tsy afaka misaraka, nanafatrafatra ihany koa izy eo amin’ny tokony hanarahan’ny Polisy manerana ny Madagasikara ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fitsipika mifehy ny Polisim-pirenena ary fandraisana sy fikarakarana mahafa-po ireo olona manatona sy mila vonjy ny Polisy, ezaka ataon’ny Polisim-pirenena ny hananganana Commissariat de Police manerana ny Distrika eto Madagasikara ary tsy ho ela dia hisy hotokanana indray. Ny fandraisam-pitenenan’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Camille Albert VITAL no nilazany fa izao trano izao no lova lovain’ny taranaka fara-mandimby ka tokony ho kojakojaina hatrany, ary nanafatra izy ny fiaraha- miasa hatrany amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka. Ary nidera ny ezaka vitan’ny Polisim-pirenena izy. Avy eo dia niroso tamin’ny fanokanana izany trano izany ny rehetra. Nentina namaranana ny lanonana ny alim-pandihizana lehibe tao amin’ny lapan’ny Tanàna izay nanasan’ny Polisim-pirenena ireo olo-manakaja teo an-toerana ka ny Praiministra sy ny Minisitry ny Filaminana anatiny ary ireo Minisitra tonga teny an-toerana no nitarika sy nanokatra ny lanonana. Ny Orchestre de la Police Nationale avy aty ANTANANARIVO no nanafana ny lanonana. |
|
Dernière mise à jour : ( 30-07-2010 )
|
|
|
- Noraisin’ny Minisitry ny Filaminana Anatiny ireo Atleta avy amin’ny COSPN |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
22-07-2010 |
|
Noraisin’ny Minisitry ny Filaminana anatiny, ny Contrôleur General de Police RAKOTOMIHANTARIZAKA Organes tao amin’ny Birao fiasany ANOSY, androany (21.07.10) maraina ireo Atleta avy amin’ny CLUB OMNISPORT DE LA POLICE NATIONALE (COSPN) avy nandrombaka medaly tamin’ny fiadiana ny ho Tompon-dakam-pirenena taona 2010 natao farany teo. Miisa sivy (09) ny medaly volamena, telo (03) ny volafotsy ary iray (01) ny varahana. Nisy ihany koa atleta avy amin’ny COSPN nahazo medaly volamena telo (03) tamin’ny lalao Afrikanina 2010 natao tany MAROC RAFARANIRINA Josoa. Nambaran’Andriamatoa Minisitra fa nanandratra avo ny voninahitry ny Polisim-pirenena ireto Atleta ireto ka mendrika ny hotolorana mari-pankasitrahana manokana. Nisy araka izany ny fanolorana Lettre de félicitations ho an’ireo Atleta fito mianadahy avy amin’ny COSPN. Ny COSPN no mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fahazoana medaly be indrindra tamin’iny fiadiana ny ho tompon-dakam-pirenena iny. Hisy mpilalaon’ny COSPN iray handeha ho any KENYA hiady ny tompon-dakan’i Afrika amin’ny Triple saut RAPITSARAVELOZANDRY. Tsy nohadinoin’ny Minisitra ny nitondra teny fampirisihana ireto Atleta ireto mba hanao ezaka ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ka nomeny ho teny fanevan’ny Atleta COSPN ny teny avy amin’ny soratra masina Isaia, 40 : 27-31. Nilaza ihany koa ny Minisitra fa hanokana andro iray hiarahana mifaly amin’ireto Atleta an’ny COSPN nahazo medaly ireto sy amin’ireo ankizy kambotin’ny Polisim-pirenena any amin’ny Akany AMBATOLAMPY izay nahitana vokatra 100% tamin’ny fisondrotana kilasy sy tamin’ny fanadinana CEPE. Nanotrona izao lanonana izao ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Filaminana Anatiny. Ireto avy ny anaran’izy ireo : -RAFARANIRINA Josea -DJAOVAZAHA Philippe -ANDRIAMAROMANANA Alain -RAPITSARAVOLAZANDRY -RAMANANJATOVO Mariolla -TSIMATIMPAOSA Narcisse -RAKOTOARIMANANA Hervé Fidel. |
|
Dernière mise à jour : ( 22-07-2010 )
|
|
|
- Hetsika famongarana ireo Piraty VCD sy Paraky |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
21-07-2010 |
|
Hivoaka tsy ho ela ny horonan-tsary mihetsika MALOK’ILA , 8 jours en France vokarin’ny orinasa Scoop DIGITAL .Miezaka miaro ny vokatra avy ao aminy ity orinasa ity ka miady mafy amin’ny Piraty. Efa fantampantatra daholo ny anaran’ireo olona sy ny toerana misy ireo mpamokatra Piraty manerana ny nosy ka nametraka fitoriana azy ireny ny orinasa Scoop DIGITAL. Nisy ny fandehanana nankany ANTSIRABE ka Polisy avy aty ANTANANARIVO nampian’ny Polisy avy ao ANTSIRABE no nanatanteraka ny fisavana tany an-toerana .Tamin’ireo toerana 9 nosavaina dia efatra no nahitana VCD piraty marobe filma sy hira Malagasy sy vahiny. Tsy nisy vokatry ny Scoop DIGITAL tamin’ireo fa amin’ny maha-ady iombonana amin’ny Piraty dia noraisin’ny Polisy avy ao ANTSIRABE an-tanàna ny amin’ireto mpamokatra Piraty ireto ary ny Scoop Digital no nampahafantatra izany ny OMDA mba handraisan’izy ireo an-tanàna ny raharaha. Amin’ireo toerana efatra nahatratrarana VCD Piraty ireo dia misy trano tsotra, misy toerana fampanofana VCD sy fivarotana sangan’asan’ny mpamorona original. Ny zava-misy dia maro ireo toerana mpivarotra sy mpampanofa VCD original nahazo alalana tamin’ny OMDA nefa dia feno Piraty amidiny eo an-toerana. -------------------------------------------------------- Fa mbola resaka Piraty ihany, Paraky Piraty ihany koa no azon’ny Polisin’Antsirabe. Ao anatin’ny tranona paraky ara-dalàna fa ny ao anatiny no vovoka tsy paraky fa fofona fotsiny. Roa gony ireto Paraky Piraty ireto |
|
Dernière mise à jour : ( 21-07-2010 )
|
|
|
- Namangy ireo ankizy kambotin'ny Polisy ny Fikambanan'ny Brigadiers sy ny Agent de Police |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
21-07-2010 |
|
Tonga namangy ireo ankizy 53 mianadahy kambotin’ny Polisim-pirenena beazina any amin’ny akany any AMBATOLAMPY tamin’ny Zoma,16 Jolay 2010 ny fikambanan’ny Brigadiers de Police sy ny Agents de Police eto Madagasikara, notarihan’ny Filohany , ny Brigadier chef de Police RAMPANJANTO Andrianavalona sy ny biraon’ny fikambanana. Nitondra fanampina :vary roa (02) gony amin’ny 100kg, Biscuits sy Bonbons 60 paquets ary vola 300.000 Ariary . Nandray izany tany an-toerana ny Directeur des ressources Humaines eo anivon’ny Polisim-pirenena, izay nanolotra fisaorana ho an’ireto mpanolotra fanampiana ary niarahaba ireo ankizy tao amin’ny Akany noho ny voka-panadinana. Nisondrotra kilasy daholo ireo ankizy ary 100°/° ny vokam-panadinana CEPE. Nanamarika ny filohan’ny fikambanan’ny Brigadiers sy Agents de Police fa vonona ny fikambanana tarihany hanampy hatrany ireto ankizy ireto.Nohararaotiny ity fotoana ity nanambarana fa hisy ny fivoriamben’ny Fikambanana ny SABOTSY , 24 Jolay 2010 manomboka amin’ny 9 ora maraina eny ANTANIMORA. |
|
Dernière mise à jour : ( 21-07-2010 )
|
|
|
- Tratra ireo jiolahy Mpanendaka |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
21-07-2010 |
|
Lehilahy roa avy any FIANARANTSOA mandalo eto ANTANANARIVO hividy Fiara no sendra ny fandrobana nataon’ny jiolahy tamin’ny Sabotsy, 17 jolay 2010.Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo akaikin’ny tranom-piantohana MAMA ANOSIBE. Nanatona azy ireo ireto jiolahy miisa roa ka ny iray nanambana ny basy ; ny iray kosa nisintona ny kitapo nisy ny vola 60.Millions fmg. Rehefa lasan’izy ireo ny kitapo nisy ny vola dia nandositra izy ireo, ka ireto niharan’ny asa ratsy kosa niantso vonjeo. Raikitra ny fanenjehana azy roalahy ; nanampy ny olona nanenjika ny Polisy roalahy sendra teo akaiky teo. Rehefa hitan’ireto jiolahy fa ho tratra izy ireo dia nosokafany ny kitapo nisy ny vola ka niparitaka ny vola tao anatiny tratra teny NAMONTANA ny iray RAHARIJAONA Donné Issy Patrick 26 taona,hita teny aminy ilay kitapo ka 30 Millions fmg sisa ny vola tavela tao.Teny aminy koa ilay basy nentiny nandrahona ilay tompom-bola, basy 8mm miaraka amin’ny bala efatra.Ny SUT TSARALALANA no nanao ny fanadihadihana Natolotra ny fitsarana ny Alatsinainy 19 Jolay 2010 ------------------------------------------------- Ny marainan’ny SABOTSY , 17 Jolay 2010 dia nisy lehilahy iray niharan’ny fanendahana nataon’ny bandy efatra tetsy SOARANO ka very tamin’izany ny Téléphone portable nohenjehany avy hatrany ireo jiolahy namely azy ka voasambotra ny iray avy hatrany dia nentina teny amin’ny Commissariat Central TSARALALANA. Nandeha nikaroka ny naman’ity jiolahy ity ny Polisin’ny GIR ka tratra teny ANALAKELY io andro io ihany ny telolahy tafaverina amin’ny tompony ilay téléphone. Ny SUT no nanao ny fanadihadihana ka natolotra ny fitsarana androany Alatsinainy -RASOLONIAINA Nantenaina, 19 taona ilay voasambotra voalohany -RAKOTONANDRASANA Toto,19 taona -RANDRIANANTENAINA Francois, 19 taona -RADOMAMINIRINA Jean Claude, 22 taona |
|
Dernière mise à jour : ( 21-07-2010 )
|
|
|
|
<< Début < Précédente 1 2 3 4 5 6 7 8 Suivante > Fin >>
|
| Résultats 1 - 10 sur 78 |