|
|
Tratra ilay namono Sinoa tetsy Ambanidia |
|
|
|
|
Écrit par LALAY Kamasy G.
|
|
20-10-2008 |
|
Voasambotry ny Police avy ao amin’ny Service Central des Affaires Criminelles ANOSY ny iray tamin’ireo roalahy namono ireo SINOA mivady tao an-tranony teny FALIARIVO AMBANIDIA, tamin’ny 26 Septembre 2008 tokony ho tamin’ny 09 ora alina, RAKOTONIAINA Haja Jean Michel antsoina hoe SOL na CONGO, 19 taona monina eny FALIARIVO AMBANIDIA, mifanila trano amin’izy mivady niharan’ny herisetra ireto ihany. Mpivarotra manao alimentation générale izy mivady ireto. Fotoana fisakafoanan’izy mivady io ora io. Niakatra tany ambony rihana ilay Sinoa lahy izay efa 72 Taona no nisy nively tamin’ny hazo (bois carré) ny lohany. Nidina tany ambany rihana ny mpively rehefa avy namely kobay ilay rangahy, nalainy ny fanalahidin’ny tiroir fitehirizam-bola tao an-tsena tany amin’ilay ramatoa ka rehefa azony izany dia novelesiny teo amin’ny lohany ihany koa ilay ramatoa. Very tamin’izany ny vola rehetra tao am-pivarotana sy carte crédit Orange 2000 Ar miisa 05, Telma 2000 Ar miisa 05, Zain 5000 Ar iray. Nalain’izy ireo koa ny toaka whisky. Mitentina 3.000.000 Ar ny fitambaran’ny vola sy ny zavatra very. Lasa nandositra izy ireo avy eo. Mbola afaka niantso ny Polisy tao amin’ny 02éme Arrondissement ihany izy mivady ireto. Nampidirina avy hatrany teny amin’ny HJRA izy mivady ary mbola nahatantara ny zava-nitranga ka nanambara fa : ‘’i Noely izay mpiasa an-trano kilasy mandry vao telo herinandro tao aminy no namono sy nidaroka azy ireo tamin’ny hazo’’. Ilay sinoa lahy dia namoy ny ainy tamin’ny 01 Octobre 2008, fa ilay ramatoa vadiny kosa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny Hopitaly (Malagasy metisy sinoa). Nanao ny fikarohana ny Polisy ka fantatra fa i RAKOTONIAINA Haja jean Michel no naman’i Noely namono azy mivady, ka voasambotra tamin’ny harivan’ny 14 Octobre 2008. Niaiky izy fa niaraka tamin’i Noely tamin’io alina nisian’ny famonoana io fa saingy tsy nandray anjara tamin’ny famonoana fa niandry ilay ramatoa taty ambany rihana fotsiny tamin’ny fotoana namonoan’i Noely an’ilay rangahy tany ambony. Nambarany fa saika hakarin’i Noely tamin’ny tady ho ao an-tranon’ireto sinoa izy tamin’ny 08 ora sy sasany alina saingy tsy tafakatra ka ny alina tamin’ny 09 sasany no niverina ka novohain’i Noely varavarana. Nilaza Congo fa nanatona mpimasy iray ao TSIADANA mba hitadiavana an’i Noely fa nanao zara vilana i Noely tamin’ny fizarana ny vola sy ireo zavatra azo.
|
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
Voasambotry ny Polisin'ny boriborin-tany fahatelo izy roa lahy |
|
|
|
|
Écrit par LALAY Kamasy G.
|
|
20-10-2008 |
|
Ny atoandron’ny Alakamisy, 09 Oktobra 2008 tokony ho tamin’ny 01 ora dia naharay filazana ny Polisin’ny Commissariat de Sécurité Publique 3e Arrondissement ANTANINANDRO fa misy olona mamoaka entana ao amin’ny tranona Sinoa iray etsy ANKADIVATO izay sady trano fonenana no fitoeran’entana. Tonga teny an-toerana ny Polisy ka tratra ambodiomby teo ampamoahana entana ny roalahy. - RANDRIAMANANTENA Alain, 33 taona, mpivarotra kapa eo BEHORIRIKA, mipetraka eny AMBOHIMAHITSY - RANDRIAMIHAJA Renaldo Michel Aimé, 26 taona, Vendeur, mipetraka eny AMPANGABE ANOSIPATRANA. Efa tafavoakan’izy ireo ny entana sasany : Ordinateur portable, pataloha Jean mbola mifono efatra gony, izany hoe : 228 isa. Mbola teo ampamoahana entana moa izy ireo no tonga ny Polisy. Barre à pince iray no nentin’izy ireo nanampitsohana ny cadenas. Androany no natolotra ny fitsarana. |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
Nisokatra ny fifaninanana hidirana ho Polisy |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
15-10-2008 |
|
Efa misokatra izao ny Fifaninanana hidirana ho polisy,ka ny peta-drindrina momba izany dia hita ao amin'ny SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY FILAMINANA ANATINY ao Anosy sy any amin'ireo sampan-draharaha rehetra miadidy ny Filaminam-bahoaka manerana ny Nosy;na ao amin'ny tranokalan'ny Polisim-pirenena: www.policenationale.gov.mg "Rubrique Recrutement" |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|