Menu Content/Inhalt
Vous êtes le ième visiteur(s)
Vaovao avy @ COSPN KARATE Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
30-09-2008

OPEN (Toutes catégories)-Homme 
    CHAMPION (médaille d’or) :
    ANDRIANANTENAINA  Amédée

KUMITE Individuelle Homme (-65 kg)
     VICE CHAMPION (médaille d’argent) :
     ANDRIANANTENAINA  Amédée


Par ailleurs, Andrianantenaina  Amédée est élu « MEILLEURS COMBATTANT 20008 » par la FIHEZAMA, et il a été sollicité pour faire parti de l’équipe nationale de la FIHEZAMA. Nous félicitons le Directeur  Technique Commissaire Principale RAKOMANANA Benjamina  ( 5ème DAN) et  toute   l’ équipe .

Notons que des membres du COSPN Section KARATE vont agrandir les rangs des gradés :
  RASOLONJATOVO Andrianirina Président COSPN  Section KARATE : 2ème DAN,
  ANDRIANANTENAINA Amédée Responsables Technique : 2ème DAN ,

Le Président et toute l’équipe souhaitent un soutient permanent et un encouragement de tous .Encore grand bravo aux combattants.

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Voasambotry ny Polisy ilay Mpanendaka Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par LALAY Kamasy G.   
29-09-2008
VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA

Tovovavy iray avy nianatra no nendahin’ny Jiolahy efadahy teo Antaninandro akainkin’ny CFP taloha, ny talata 23 septambra 2008 tokony ho tamin’ny 11 ora sy 20 minitra atoandro. Lasan’izy ireo tamin’izany ny rojo volamenany. Niantso vonjy ilay tovovavy, ka rafitra ny fifanenjehana. Nisy Pôlisy niasa tsy lavitra ilay toerana, nahavoasambotra ny iray tamin’izy efedahy ilay Polisy.
Antsoina hoe RANDRIANANTOANDRO Hasina Nantenaina, 27 taona, monina ao Antsahakely, tratra tany aminy koa ilay rojo.

Tamin’ny fanadihadiana azy no nanondroany ireo namany maro, ka 2 ihany no voasambotra, dia i RAZAFINDRAMARA Andry Tiana, antsoina hoe KÔMA, 27 taona, monina ao Besarety, sy RANDRIANANTENAINA Alfred, antsoina hoe DÔDÔMA, 19 taona, monina ao Ampandrana. Samy niaiky ny heloka vitany izy telo tratra ireto ary nilaza koa fa efa mpanendaka manodidina an’Ambodivona, Antsahakely, Ambondrona, Tsiazotafo iny izy ireo.
 
Ireo jiolahy tratra nanao ny asa ratsiny

Ny alin’ny 17 septambra 2008, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany dia nisy nanafika teny ambony fiara 4 x 4, sady voaambana basy ny lehilahy iray, ka lasan’izy ireo tamin’izany ny rojo volamena 120 grama, mitentina 4.000.000 ariary. Nanamarina ity mpitory, fa anisan’ny nanendaka sy nanambana basy azy izy telolahy ireto.

Ny alarobia 16 septambra, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina no voaendaka ny « gourmette » volamenan’ny lehilahy iray teo Ambodivona. Nanamarina ihany koa ity lehilahy ity, fa izy telolahy ireto ihany koa no nanambana basy sy nanendaka azy tamin’izany.
Atolotra ny fitsarana anio izy ireo.

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo Polisy nanao fiofanana Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par LALAY Kamasy G.   
29-09-2008
Ny Alakamisy 25 Septambre no nomarihin’Atoa Neils Marquardt, masoivoho Amerikana sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Filamina Anatiny, Atoa Désiré RASOLOFOMANANA, ny famaranana ny fandaharam-panofanana naharitra dimy volana natao hanatsarana ny fahaiza-manaon’ny fitondrana Malagasy eo amin’ny ady amin’ny fanondranana olona an-tsokosokko. Mpandray anjara mahery ny 60 avy amin’ireo sampan-draharaha mpampihatra lalàna no nanaraka ilay fiofanana momba ny fomba fiasa mampiasa teknolojia avo lenta ho any fanadihadina heloka bevava sy ny fiofanana momba ny lalàna manan-kery ary ny fahaizana manantontosa fanadihadiana. Raha atambatra izany rehetra izany dia hita fa dingana lehibe eo amin’ny ady mitohy hamongorana ny fanondranana olona an-tsokosoko sy ny fanararaotana eto Madagaskara. Ho fanehoan’i Etazonia ny fahatsapany ny mahazava-dehibe izany asa izany, dia nanolotra solosaina miisa telo ny Masoivoho, miaraka amin’ny « serveur » matanjaka iraay sy ireo fitaovana fampiasa miaraka amin’izany solosaina izany, ho fanohanana ny asa hotontosain’ilay Ivon-toerana Fanadihadiana Heloka Bevava, izay vao najoro ho andry iorenan’ny  ezaka rehetra eo amin’ny sehatra ity any aoriana.

Nararaotin’i Atoa Masoivoho Marquardt izany lanonana izany hiarahabana ny fitondrana Malagasy noho ny asa tsara alain-tahaka notontosainy teo amin’ny sehatra ity hatreto, izay vao avy nankasitrahan’ny Departemantam-panjakana Amerikana tamin’ny volana Jona teo, tao anatin’n’lay tatitra avoakany isan-taona momba ny fanondranana olona an-tsokosoko, ka nahatratraran’n’i Madagaskara ny sokajy ambony indrindra amin’ireo firenena manerantany noho ny fahavononany hiady amin’ny fanondranana olona antsokosoko. Notsindrian’ny hatraminy fahavononan’iEtazonia hanamafy orina kokoa ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara eo amin’ity sehatrady ity, ary nampirisihiny ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Polisy ary ny zandary hanohy hatrany ilay fiaraha-mientana tsy manampaharoa nasehon’izy ireo, rehefa tongan y fotoana anapariahana ilay fomba fiasa sy ilay teknolojia any ivelany renivohittra.

Anisany nandray anjara tamin’izao fandaharam-potoana izao ny manam-pahaizana manokana momba ny fanadihaadihadiana miisa 10 izay nanaraka fandaharam-piofanana maharitra enina herinandro momba ny fampiasana teknolojian’ny fikirakirana antontam-baovao hamantarana sy hanaovana fanadihadiana momba ny tamba-jotran’oloban-dratsy. Ankoatr’izay dia nisy mpahay lalàna sy manam-pahefanna avy amin’ny Polisy sy Zandary  niisa 50 nandray fiofanana roa herinandro ary notontosaina in-dimy nisesy teto an-drenivohitra sy tany Fort Dauphin ary tany Nosy Be ; ka niresahana momba ny teknika ilaina monokana raha hanao fanadihadiana momba ny fanondranana olona antsokosoko. Ny antontam-baovao izay ao amin’ilay Ivon-toerana Fanadihadiana Heloka Bevava dia vao maika hanampy amin’ny fampivondronana ny antontam-baovao sy ny fanadihadiana ny vaovao toa izany manerana ny firenena. Noho izany dia vao maika ho azo itokisana sy hahomby ity fomba fiasa ity, ary hanampy ny fitondrana amin’ny fanaraha-maso akaiky ny antontan’isa mikasika ity heloka ity.
Ny Departemanta Amerikana misahana ny Fitsarana no namatsy vola izao hetsika izao, tamin’ny alaln’ny Fandaharana Fanofanana Iraisam-pirenena momba ny Fahaizana manadihady Heloka Bevava (ICITAP). Tafavory tao anatin’izao fandaharam-piofanana izao ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Polisy ary ny Zandary, izay miara-nisalahy hamongotra ireo karazan-keloka saro-paritana mampiavaka ny fanondranana olona an-tsokosoko, ary olona antampitrisany no ianjadian’ny heloka izany isan-taona ; ka sady voahitsakitsaka ny zo maha olombelona ireo olona ireo, mitombo ny loza mitatao ara-pahasalamana eto amin’izao tontolo izao, no vao maika mitombo ny herin’ireo tamba-jotran’olon-dratsy. Hita miharihary ao amin’ny Madagasikara Am-perinasa ny fahavononan’i Madagasikara hiady amin’ny heloka iraisam-pirenena ity, ary nivoitra ihany koa tamin’ny fanadihadiana ilay lalàna feno miady amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko, tamin’ny taon-dasa.

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Maty voatifitry ny Polisy ny jiolahy iray Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par LALAY Kamasy G.   
24-09-2008
VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA
Jiolahy iray tokony 30 taona  no maty voatifitry ny Polisin’ny GIR tetsy amin’ny « Petite Vitesse » mihazo an’Isotry androany maraina, 23/09/2008 tokony ho tamin’ny 10 ora marihina moa fa efa andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy siton-mahery mitam-piadiana izy ireo. Androany maraina, ary efa teny amin’ny Muraille de Chine no nihaohao ny olona fa miala any ireo andian-jiolahy. Nandray ny andraikiny nanaraka ireto andian-jiolahy ny Polisy, vao nahatsikaritra izany izy ireo dia nandositra ka raikitra ny fanendrehana. Lavon’ny balan’ny Polisy ity jiolahy iray ity izay tsy nisy taratasy momba azy teny aminy. Voan’ny bala teo amin’ny saokany, tendany, fihirifany ary kibony. Basy fohy marika MAB 6,35 sy bala roa no hita teny aminy.
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )