Menu Content/Inhalt
Vous êtes le ième visiteur(s)
Voasaron'ny Polisy avy ao amin'ny "DPMPM"ireo zaza tsy ampy taona nanao ny asa ratsiny Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par LALAY Kamasy G.   
12-08-2008

VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENE

Ravan’ny Polisy avy ao amin’ny Division de la police des mœurs et de la Protection des mineurs TSARALALANA ny andiana ankizy tsy ampy taona mpanao asa ratsy toy ny fanendahana sy sinto-mahery ary fifohana rongony. Miisa 11 ireto ankizy ireto ka 12 taona no zandriny indrindra ay 20 taona no zokiny indrindra. Trano iray ao amin’ny IVO ANTOHOMADINIKA hofain’izy ireo 50.000 Ariary isam-bolana no hitobian’izy ireo ka nahatratrarana azy niaraka omaly alahady 10 Aogostra 2008.
Vazaha lahy iray sendra nandalo teny ANTOHOMADINIKA IVO omaly Alahady no naronin’ity 12 taona ny paosony.
Nandositra izy rehefa avy eo. Voatazon’ilay vazaha kosa ny iray vao 16 taona ka avy hatrany dia nentiny teny amin’ny Polisy misahana ny tsy ampy taona. Rehefa nofotorana izy dia nanondro ny toerana nisy ireo namany ka sarona tao amin’ny trano fitobiany ny 10 lahy namany, teo ampijerena televisiona sady nifoka rongony. Hita tao amin’ilay trano : baffles miisa efatra ka ny roa lehibe, ny roa kely izay samy marika AKAI, Lecteur iray sy tele izay samy marika VENUS. Nahatratrarana fonosana rongony tany amin’ny  telo amin’izy ireo. Mifanambatra vola izy ireo handoavany ny hofa-tranony. Rehefa mahazo vola dia manambatra vola nividianana ireo fitaovana ireo  mba hirevena sy hamalifalina tena.

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Vaovaon'ny Polisim-pirenena Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par LALAY Kamasy G.   
07-08-2008

VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA

Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Commissariat de sécurité Publique 4ème Arrondissement ISOTRY, i ROBINSON Erick Julio,21 taona mipetraka eny AMBONDIN’ISOTRY raha avy nanafika mpitaingina moto teny VASACOS ny Alarobia 07 Aout 2008 tamin’ny 02 ora maraina.
03 lahy izy ireo ny Talata alina hifoha Alaroria maraina no nanara-maso lehilahy iray nisotrosotro sady efa mamomamo ka tara fodiana teny amin’ny 67 HA avaratra atsinanana. Efa fantatry izy telo lahy fa handalo eny VASACOS ity lehilahy mitondra moto ity, ary teny no nanakanany azy sady nokapohana tamin’ny hazobe ny lohany ka torana. Avy eo nendahany izy telolahy ny zavatra rehetra teny aminy :
- Gourmette volamena, bague volamena, porte feuille sy vola, téléphone portabele roa, kiraro, ary ilay moto sy casque.
Rehefa nahatsiaro tena ilay voaendaka dia sendra Polisy nanao fisafoana tamin’ny alina ka nanajanona sy niantso vonjy ary nanambara ny zava-nitranga. Avy hatrany dia nadray andraikitra ireo Polisy, raikitra ny sava hao teny amin’ny manodidina, ANTOHOMADINIKA, 67HA, ka hatreny ANALAKELY. Ilay moto no hita voalohany, tsy lasa lavitra fa narian’izy ireo tsy lavitra ny toerana nanaovana ny asa ratsy.
Mbola nahazo fanampim-baovao (Renseignements) tamin’ireo mpitondra TAXI miasa vao maraina sy ny olona teny amin’ny nitrangan’ny fanendahana ny Polisy, ka io maraina io ihany tamin’ny 05 ora dia voasambotra i ROBINSON Erick Julio, ary tratra teny aminy daholo ireo zavatra noendahiny tamin’ity lehilahy ity.
Noho izany dia notazonina avy hatrany ao amin’ny 4ème Arrondissement ISOTRY izy anaovana fanadihadihana, fa ireo namany roalahy kosa dia eo am-pikarohana azy ny mpitandro ny filaminana.

________________________________________ 

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Commissariat de sécurité Publique 3ème Arrondissement ANTANINANDRO, omaly Alarobia, 06 aout 2008 teny amin’ny Tsenan’ANDRAVOAHANGY ny lehilahy iray antsoina hoe RANDRIANARIJAONA Justin, 25 taona, monina eny ANDOHATAPENAKA sy ANDRANOMANALINA.
Rehefa Alarobia tsenan’ANDRAVOAHANGY dia mitondra gony izy dia raofiny ny entan’olona mpivarotra dia lasa tsy mandoa vola izy. Ireo mpivarotra lamba madinidinika toy ny body izay fakan’ny mpaka maro no tena ataony lasibatra amin’izany. Raha vao misy miteny azy dia anaovany Ramatahora.
Ny Alarobia, 06 aout teo dia voasambotry ny Sécurité ATF teo amin’ny Tsenan’ANDRAVOAHANGY izy nefa dia namaly. Tonga ny Polisy naka azy ka nanondro vehivavy roa nolazainy fa namany izy, Ginah Michelle sy Nantenaina izay samy monina eny TONGARIVO.
Nandritra ny famotorana dia nisandoka anarana i Justin. Fantatra ihany ny tena anarany rehefa tonga ny fianakaviany nitondra ny karapanondrony. Efa naharaisana fitarainana maro ity lehilahy ity.

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )