|
Fandorana ilay Rongony tratra teny Ambohitrimanjaka |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
29-07-2008 |
|
Notanterahina androany 24.07.08 teny amin’ny faritra AMBOHITRIMANJAKA ny fandorana ireo rongony 19 gony nilanja 720 kg izay avy any atsimo no fiavian’ireto rongony ireto. Nodorana ihany koa ireo menaka rongony tokony ho 20 litatra. Izay notanterahin’ny Polisy avy ao amin’ny Service Central des Stupéfiants et des Substances Psychotropes ANOSY, nanatrika izany fandorana izany ny Mpitsara manampahefana avy ao amin’ny Fitsarana. Tsara ny manamarika fa ireo rongony nodorana ireo dia voasambotry ny polisy ny zoma 17 jolay 2008, izay nentina mpamily roalahy avy any IHOSY saika ho entina hiditra tao amin’ny tokontanin’ny STAR TANJOMBATO, 350.000fmg isaky ny gony no karamany izay mitotaly 6.650.000fmg tamin’izany. Ireo menaka rongony kosa dia tratra tamin’ny karazan’olona samihafa nadritra ny fotoana maro, ka natambatra ho dorana avokoa, raha ny Tenti-bidin’ireo menaka ireo dia mitentina manodidina ny 100.000.000 Fmg any ho any. |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
Tratran'ny Polisin'ny SUT ilay Komorianina Mpanao vola sandoka |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
29-07-2008 |
|
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sûreté urbaine Tsaralalàna ny lehilahy iray metisy kaomorianina omaly alarobia 23 jolay 2008 tamin’ny 4 ora maraina tetsy amin’ny hôtely Radar TSARALALANA, araka ny fampandrenesana nataon’ny vehivavy iray izay niara-natory taminy. Namonjy fodiana io vehivavy io tokony ho tamin’ny 3 ora maraina teo ho eo rehefa avy niaraka taminy. Nomen’ity lehilahy ity azy ny vola 30.000 ariary araka ny nifanarahan’izy ireo. Nandray fiara karetsaka io vehivavy io ka ny mpamily an’io fiara io indray no naka solika tamin’ny tobin-dasantsy iray teto an-drenivohitra ka ireo pompistes ireo no nahatsikaritra fa vola sandoka ilay vola nividianana solika. Teo vao gaga ilay vehivavy ka tonga dia nametraka fitarainana teny amin’ny polisy. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny polisy avy ao amin’ny sûreté urbaine ka nandeha nisambotra ilay olona voalaza fa niaraka tamin’io vehivavy io. Rehefa tonga tao amin’ny efitra nisy ilay rangahy ny Polisy dia niangavy azy hamoha ny tranony nefa tsy nety izy. Rehefa ny mpiasan’ny hôtely no nilaza taminy fa mpiasa ao amin’io hôtely io dia izay izy vao nety namoha. Nilaza izy fa avy any Mahajanga ho any Mananjary rehefa nofotorana. Rehefa natao ny fijerena ny entany dia mbola nahatratrarana lelavola 10.000 ariary miisa 33 izay mitentina 330.000 ariary. Mandalo izy no eto Antananarivo ary mifindrafindra hôtely maro. Tratra niaraka taminy ihany koa ny fanafody gasy maromaro izay fampiasany ho fiarovan-tenany. Mbola nisy ihany koa kara-panondro sandoka entiny amitahana olona tratra teny aminy. - |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
Voasamborty ny Polisy Stupefiant ny rongony 720kg,19 gony |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
21-07-2008 |
Voasambotry ny polisy ao amin’ny STUPEFIANT ANOSY ny mpamily fiara sy ny mpanampiny nitondra rongony 19 gony milanja 720 kg ny zoma 17 jolay 2008. Loharanom-baovao no nahalalan’ny polisy fa misy fiara hiala avy any Ihosy mitondra rongony hiditra ao amin’ny tokontanin’ny STAR TANJOMBATO. Nanara-maso teny an-toerana ny polisy ka ny zoma 17 jolay 2008 atoandro no niditra ilay fiara voalaza fa nitondra rongony. Nisy fahasimbana ity fiara ity ka nisy fanamboarana. Naharitra araka izany ny fanaraha-mason’ny polisy. Rehefa natao ny fisavana dia tratra tao ny rongony 19 gony nilanja 720 kg teo ho eo : nadihadihana izy roa lahy mpamiliny sy ny mpanampiny izay nilaza fa fantany tsara fa rongony ireo nentiny ary olona ao IHOSY no mpandefa. 350.000fmg isaky ny gony no karamany izay mitotaly 6.650.000fmg. zandrin’ilay mpandefa no voalaza fa handray an’ilay rongony. Tsy nipoitra mihitsy anefa ilay mpandray ny entana na dia efa nandrasana mandram-paharivan’ ny andro fa mety efa nahatsikaritra ny polisy. Mbola hatao amin’ny fotoana manaraka ny fandorana ireto rongony ireto.  |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
Vaovao ny 8ème Arrondissement |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
21-07-2008 |
  Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Commissariat de Sécurité Publique 8e Arrondissement ANALAMAHITSY ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra AMBODITSIRY, AMBATOMAINTY, MANJAKARAY ary ANJANAHARY iny. Fito lahy no nampidirina teny amin’ny fonjaben’ANTANIMORA ny SABOTSY, 19 Jolay 2008. Ny marainan’ny Talata, 15 Jolay 2008. tokony ho tamin’ny iray ora maraina dia tsikaritry ireo Polisy nanao fisafoana fa misy telo lahy mamoaka entana teo amin’ny Epicerie iray teny AMBODITSIRY ANDRANOBEVAVA. Vao nahatazana ny Polisy izy telo lahy dia vaky nandositra fa ny iray mpamoaka ny entana tao anatin’ilay EPICERIE no tratra tsy afa-nandositra. RAMAMONJISOA Jean Heriniaina dit Rahery, monina eny AMORONDRIA SABOTSY NAMEHANA, Mpivarotra gazety. Nanondro ireo namany i RAHERY ka voasambotra io andro io ihany RAKOTOSALAMA Patrick na RAPA, 24 taona, Mpivarotra Gazety , monina eny AMBOHIMANGA KELY sy RASOLOFOMANANA Jean de Dieu na ERIC Rasta,18taona, monina eny manjakaray. Nahitana ODY GASY tany amin’ity farany. Tavela teo amin’ity EPICERIE novakian-dry zareo ity ny antsy lava roa, antsy be iray ary pince coupante lehibe iray. Izao fahatratrarana azy telo lahy izao no nahafantarany ny asa ratsy rehetra nataon’izy ireo. Mivarotra Gazety eny amin’ny manodidina an’AMBODITSIRY syMANJAKARAY izy ireo ny atoandro ; amin’ny alina izy ireo manao ny asa ratsiny. Ny alin’ny 1 hifoha roa jolay 2008 dia tokatrano iray teo AMBATOMAINTY no notafihan-dry zalahy ka dimy lahy izy ireo no nanao izany ary nirongo basy. Very tamin’izany ny TELEVISION 2, LECTEUR 1, VILIA sy VILANY, VOLA, FITAFIHANA samihafa ary KARATRA sy SARY. Ny alin’ny 30 jona hifoha 1jolay 2008 dia nanendaka vehivavy iray teo AMBODITSIRY izy ireo. Efadahy indray no niharaka teto ka lasan’izy ireo ny vola 550 000 Fmg, Portable, firavaka,lamba vao avy novidiana. Saika haholan’izy ireo ilay tovovavy saingy tsy nahaefa izy ireo noho ny fisian’ny olona mpandalo ka nilefa. Ny alin’ny 7 jolay 2008 dia namaky ny EPICERIE iray teny AMBODITSIRY. Efa voapitsoka ny varavarana no nandre ny tompotrano ka niantso Polisy. Nandositra izy 5 lahy. Ny alin’ny 9 Jolay 2008 tokony ho tamin’ny 12ora sy sasany dia nanendaka FIARA 4X4 teo ANJANAHARY IIO ny dimy lahy nisaron-tva nitondra basy. Ka mitentina 10 millions Ariary no very tamin’izany : PORTABLE lafovidy telo, fitaovana samihafa nampiasain’ireto olona ireto tami’ny famerenan-kira avy natrehany . Niaiky ireo heloka rehetra ireo izy telo lahy ary nanondro ireo namany sy ireo Mpandray ny entana halatra. RAMATOA RASOARINIVO Ernestine monina eny MAHAVOKY BESARETY no mpandray ny TELEVISION sy RADIO. Rehefa natao ny fisavana ny tranony dia mbola nahitana TELEVISION miisa 5 tao aminy ka ny 2 dia an’ilay tokatrano novakian’izy ireo to AMBATOMAINTY .Rehefa TELEPHONE PORTALE sy AUTO RADIO kosa dia i RA-TONTON na RAKOTOMALALA Justin, monina ao ANTOHAMADINIKA no mpandray azy. Mbola nahitana AUTO RADIO 1 tao aminy. Nambaran’izy ireo fa lehilahy iray monina eny AMBALAVAO ISOTRY ny mpampanofa basy azy ireo.
|
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
Mpivarotra rongony tratran'ny Polisy teny Ivato |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
17-07-2008 |
|
Lehilahy lehibe 52 taona no tratra ambodiomby teo am-pivarotana rongony teny amin’ny tananan’Ivato, ny talata 15 Jolay tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro.efa intelo voasambotra tamin’ny resaka rongony ity rangahy ity rangahy ity .44 fonosana antsoina hoe “carottes” no tratra teny aminy tamin’izao farany izao.Nanohitra tsy nety nanaraka ny polisy izy tamin’ny fisamborana azy.Ny antony nambarany dia efa leo ny migadra izy.Natolotra ny fitsarana ny alarobia 16/jolay 2008 |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
|