Menu Content/Inhalt
Vous êtes le ième visiteur(s)
Fiofanana momba ny Technique de Maintien de l’ordre sy Gestion des violences urbaines Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
23-06-2008
 
 Image Exemple   Image Exemple   Image Exemple 
Image Exemple    Image Exemple   Image Exemple
 
Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny asan’ny Polisim-pirenena dia Polisy 90 mirahalahy no nanaraka fiofanana momba  ny Technique de Maintien de l’ordre sy Gestion des violences urbaines nandritra ny tapa-bolana,nanomboka ny 26 mai 2008 ka hatramin’ny 05 juin 2008 .Ka teny amin’ny Tobin’ny Zandarimaria teny Ivato sy teny amin’ny sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy eny Ivato no nanaovana izany.Mitsinjara toy izao izy 90 mirahalahy ireto :
        -55 mirahalahy avy amin’ny FMIP
        -25 mirahalahy avy amin’ny Police Urbaine
        -10 mirahalahy avy amin’ny ENSP Ivato
Samy nanana solon-tena tamin’ity fiofanana ity daholo ireo isan’ambaratongany eo anivon’ny Polisim-pirenena :
        -02 Commissaires de Police
        -08 Officiers de Police
        -73 Agents sy Brigadiers de Police
Polisy Frantsay Telo mirahalahy avy atsy LA REUNION avy amin’ny Compagnie Républicaine de Sécurité no tompo-marika tamin’ny fanofanana.
Ny avy amin’ny SCTIP (Service de Coopération Technique International de Police) no angady nananana sy vy nahitana izao fiofanana izao.
Androany maraina  05 jona 2008 no nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana ka nisy ny fampisehoana fampiharana ny fahaizana noratovon’izy 90 mirahalahy.
Nofaranana tamin’ny fizarana Attestation.
Image Exemple   Image Exemple   Image Exemple
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Foramtion Stupefiant Z P et P N Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
20-06-2008
   Mpitandro ny filaminana 30 mirahalahy, ka 15 avy amin’ny Polisim-pirenena, 15 avy amin’ny Zandarimariam-pirenena no nanaraka fiofanana nandritra ny herinandro, nanomboka tamin’ny Alatsinainy 09 juin  ka hatramin’ny 13 juin 2008 teny amin’ny efi-trano fiofanan’ny Polisy eny ANTANIMORA. Fiofanana niompana tamin’ny lohahevitra hoe : « LUTTE CONTRE LE TRAFIC DES STUPEFIANTS ». Samy miasa ao amin’ny sampana miady amin’ny zava-mahadomelina avokoa izy 30 mirahalahy ireto, ary avy amin’ny faritra samihafa.
Polisy Frantsay, Capitaine Anthony, no nitarika ny fanofanana. Tonga tamin’izao lanonam-pamaranana izao, nisolo-tena ny Minisitry ny filaminana anatiny, ny Directeur de la Programmation du suivi et de l’Evaluation, ny Controleur Général de Police RAZAFINJATO Gilles René. Nanambara izy fa manomboka izao dia miara-miasa ny Polisy sy ny Zandary ary fanombohana izao fiofanana miaraka izao. Fiofanana tafiditra ao anatin’ny paikady hiadiana amin’ny zava-mahadomelina. Nambarany ihany koa fa tato anatin’ny dimy taona izao dia niakatra avo ny fikasihana zava-mahadomelina teto amintsika ka mitaky fanovana fomba fiasa.
Hitondra ny fahaiza-manao noratoviny tamin’ny fiofanana azony any amin’ny sampan-draharaha hiasany avy manerana ny nosy ireto mpiofana Polisy sy Zandary ireto ka hampita izany amin’ireo mpiara-miasa aminy.

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Tratran'ny ilay jiolahy saika hanao operation Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
19-06-2008
Manohy ny asany hatrany ny Polisim-pirenena amin’ny famongorana ireo asan-jiolahy, indrindra ny fitazonana sy fikirakirana ireo basy mahery vaika tsy ara-dalana.
Nahazo renseignement ny Brigade Criminelle fa misy jiolahy miomana hanao opération miandry ny namany etsy Ambalavao Isotry eo akaikin’ny lalam-by androany Alarobia 18 jona 2008 tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina. Nandray ny andraikiny avy hatrany  ireo Polisy ka rafitra ny fifanenjehina teny an-toerana. niafina tao an-tranon’olona i RANDRIANASOLO Mamy antsoina hoe Simon, ka noraisim-potsiny tao, tamin’ny fisavana natao azy no nahitana : Basy  PA  iray marika STEYR niaraka tamin’ny bala telo, Basy PA vita gasy iray miaraka amin’ny chargeur iray misy bala iray ;antsy pika lehibe iray ;ary lakile na fiarakodia maromaro. Marihana fa tsy nahitana kara-panondro tany aminy.
Amin’izao fotoana izao dia mbola eo an-dalam-panaovana ny famotorana ny Polisim-pirenena.
 
                               Image Exemple       Image Exemple
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Maty voatifitry ny Police ny SCAC i Gaga Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
19-06-2008
Araka ny loharanom-baovao azon’ny Service Central des Affaires Criminelles (SCAC), eny ANOSY ny 13.06.08 dia, mihaodihaody eny amin’iny faritra ANDOHATAPENAKA iny ilay Jiolahy antsoina hoe GAGA.
Tonga teny an-toerana ny Polisy io andro io ihany tokony ho tamin’ny 04 ora hariva ka avy hatrany dia nametraka ny tetika rehetra hisamborana azy raha vao mandalo eny amin’ny manodidina i Gaga sy ny namany.
Nandalo tokoa i Gaga, ka raha vao nahita ny Polisy saika hisambotra azy ny lehilahy dia avy hatrany dia nandositra nivoaka ny arabe ka nihazo niampita tanimbary nifindra teny amin’ny tanana ilany, nataon’ny Polisy ny fifampitadiavana azy nandritra ny ora maromaro, hitan’ny Polisy ihany anefa ny toerana niafenany, avy hatrany dia nitifitra ireo Polisy no nataon’ny Gaga, ka velona avy hatrany ny fifampitifirana, ka lavo teo amin’ilay toerana niafenany i Gaga.
Ily naman’ny Gaga iray kosa dia nitsoaka tafavoaka ny arabe ka raha vao nahita Polisy iray nanao Fanamiana izy dia nitifitra avy hatrany ka nisolifatra nandalo teo amin’ny fihirifan’ilay Polisy ny bala ; marihana moa fa io Polisy io dia anisan’ireo mpitandro ny filaminana manao Balisage miandry ny fandalovan’ny manampahefana mandalo eny amin’iny toerana iny. Nifampitifitra tamin’ny Polisin’ny SCAC ihany koa io jiolahy io ka lavon’ny Balan’ny Polisy.

 I Gaga moa dia ilay jiolahy raindahiny izay malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana tany TOLIARA, ILAKAKA, SAKARAHA, ka efa tra-tehaka tany moa izy nefa tafatsoaka ny fonja nitazonana azy tany TOLIARA, ny volana Novembra 2007, ary dia notohizany hatraty ANTANANARIVO ny asa ratsy fanaony, i Gaga dia anisan’ny jiolahy mpiray tarika niaraka tamin-dry Ra swing sy ny namany izay efa lavon’ny balan’ny Polisim-pirenena  teny ANDOHATAPENAKA iny ihany ny 20.04.08.
I Gaga ihany koa no anisan’ny Jiolahy nanafika ka nahafaty Kaomaorianina iray teny Antsahamamy Ambolokandrina volana vitsy lasa izay.
EZOENY Vincent na antsoina hoe Gaga no narany, hita teny aminy ny karatra maha-miaramila sy karapanondro iray izay samy misy ny sariny, tsy mitovy avokoa ny anarana hita teny amin’ireo karatra ireo.
Tsy nahitana taratasy famantarana azy kosa ilay namany teny an-toerana.
                            Image Exemple       Image Exemple
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Rongony tratrany Polisy avy ao amin’ny SUT Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
09-06-2008
Araka ny loharanom-baovao azon’ny Polisy avy ao amin’ny SUT (Surété Urbaine de Tananarive), sy ny Intervention ao TSARALALANA, dia nisy TAXI BROUSSE MAZDA iray mitondra mpandeha niala avy any ANTSIRANANA ny 04/06/08 ho aty ANTANANARIVO ka mitondra rongony. Nadrasan’ny POLISY teo ANDRANOMENA ny fiavian’io fiara io. Nigadona teo ANDRANOMENA tokoa ilay fiara ny ampitso 05/06/08 tokony ho tamin’ny telo ora hariva, ka avy dia nosakanana, natao avy hatrany ny fisavana sy fitadiavana ilay entana voalaza fa misy rongony. Hita teo ambony Porte bagage miaraka amin’ny entan’ny mpandeha ny valizy lehibe iray mifatratra rongony izay milanja 60 Kg. Io rongony io dia anisan’ireo rongony tsara karazana indrindra eto MADAGASIKARA hono.
Rahefa nanontanian’ny Polisy ireo mpandeha dia samy nanda samy nilaza fa tsy tompony avokoa ary na ny mpamily ilay Taxi brousse aza nanda tsy nahalala ny fisian’io rongony io akory.
Nentina teny amin’ny Commissariat Central TSARALALANA avy hatrany ilay Fiara sy ireo mpandeha. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia fantatra ihany ny tompon’ilay valizy feno rongony, izay anisan’ireo mpandeha tamin’ilay Fiara ihany dia i : MANAKITSAKY Sambo, 59 taona. Ny tena fiaviany sy fonenany dia avy atsimo AMBONDRO AMBOVOMBE, niaky tanteraka izy fa azy tokoa ireo rongony ireo.
Ny nandehanany tany ANTSIRANANA dia haka ireo rongony milanja 60 Kg ireo ary nokasaina hamidy eto ANTANANARIVO.
Atolotra ny fitsarana androany Alatsinainy 09.06.08.  
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
<< Début < Précédente 1 2 Suivante > Fin >>

Résultats 1 - 9 sur 10