Menu Content/Inhalt
Vous êtes le ième visiteur(s)
Vaovao momba ny nahatratrarana any RA-swing Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
22-05-2008
Nisy olona tsy nitonona anarana niantso an-telefaona ny Polisy fa misy lehilahy mampiahiahy miisa telo mihaodihaody eny ANDOHATAPENAKA akaikin’ny TETEZANA tsy lavitra ireo Mpanao fatampera nanomboka tamin’ny sivy ora alina. Nidina teny an-toerana ny Polisin’ny GIR sy ny SAG ary ny BC mba hijery ny fisehon-javatra omaly Talata 20 Mai 2008 tamin’ny sivy ora alina ary niandry teo amin’ilay toerana voatondro. Tamin’ny folo ora alina tany ho any dia indro fa nisy telolahy tonga teny an-toerana ka nosakanan’ny Polisy avy hatrany mba hanontaniana ny momba azy sy ny anton-dian’izy ireo saingy tifitra avy hatrany no nasetrin’ireto telolahy ireto ny Polisy.
Raikitra ny fifanjevoana ka  lavon’ny balan’ny Polisy ny lehilahy iray ary maty teo no eo RAJAONARIVELO Jeannot na  Ra-Swing efa mpiara-dia tamin’ireo jiolahy gaigilahy teo aloha toa an-dRADADATOA sy RAINIJAO fa ny namany roalahy kosa dia tafamporitsaka, ary tratra teny aminy ny basy mahery vaika PM iray miaraka amin’ny bala miisa 60 sy basy PATT iray miaraka amin’ny bala 04.Mbola hita teny aminy ihany koa antontan-taratasy maromaro nahitana Fanamarinana ny fivoahana am-ponja teny ANTSIAFAHY noho ny fanafihana mitam-piadiana izay nataony tamin’ny taona 2000, karapanondrom-pirenena amin’ny anarany sy karatra maha mpiangaly haiady taranja KARATE izay manamarina ny maha 6é DAN azy.
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Tratran'ny Polisy tao @ 3éme Arrondissement ireo mpangalatra Auto Radio teny Ambodivona Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
19-05-2008
Omaly Alahady, 18 Mai 2008 tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro dia tsikaritry ireo Polisy roalahy miasa miambina eo amin’ny GALANA AMBODIVONA teo amin’ny elakelan-trano iray ny roalahy efa malaza ratsy amin’ny halatra Auto-radio ary efa ataon’ny Polisy andrimaso . Nampiahiahy ny Polisy ny fihetsiky izy roalahy nisavasava porte feuille sy mivimbina lamba maromaro sady miresaka hoe :"Tokony mbola nahazoantsika 300.000 Fmg ilay izy" .Nataon’ireto Polisy avy hatrany ny fisamborana ary nentina tany amin’ny Commissariat de sécurité publique 3 eme arrondissement ANTANINANDRO izy roalahy.Teny an-dalana dia nanambara izy izy ireo fa mpivaro-damba ny asany ka handeha hanatitra lamban’olona eny AMBODIVONA.
Rehefa tonga teny amin’nuy biraon’ny polisy dia nilaza indray izy roalahy fa hitany hono, ireo entana tratra tany aminy : lamba maro samihafa, porte feuille, carte de credit, vola devise   2000 Yen ; appareil photo, carte de visite, carte visa 3.      
Nantsoina ny laharan-telefaonina hita tao anatin’ilay porte feuille ka teo vao fantatra fa an’ireo mpivady teratany japoney monina any MAHAJANGA mandalo eto ANTANANARIVO ireto zavatra ireto. Niantsena teny ANDRAVOAHANGY izy ireo omaly ka napetrany teny akaikin’ny immeuble soloprix ny fiarany 4x4 marque pajero. Io fiara io no norobain’izy roalahy ka tao anaty sakaosy nipetraka tao aorian’ny sezan’ny mpamily ireo entana ireo.
Ny tsy hita intsony tamin’ireo zavatra very dia vola devise 10000 Yen sy 15 dollars. Rehefa natao ny fisavana ny tranon’izy roalahy  dia hita tany amin’ny tranon’ny iray antsoina hoe Vony ny chèque efa voasonia misy sora-bola 1650000 Ar sy ny sakaosy misy lamba.
Hita tany amin’izy roalahy ny lakila passe-partout sy lakilena fiara maromaro ary tourne vice.
Simba ny fanalahidin’ilay fiara rehefa tafaverina avy niantsena izy mivady.
RAZAFIMANANTSOA Vony, 35 taona
RATSIMBA ANDRIAMIFIDY Nirina, 35 taona
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Vaovao ny SAG (Service anti Gang) Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
19-05-2008
 Tratran'ny SAG (BC4)  ireo  jiolahy mpanankana @ RN7
Nahazo antso tamin’olona teny Tanjombato ny BC 4  sy ny SAG androany 15 mai 2008 tokony ho tamin’ny  06 ora maraina fa misy olona mihaodihaody mitovy amin’i GAGA (Jiolahy nitsoaka ny fonja tany Toliara tamin’ny taona lasa ka tadiavina) eny amin’ny pont Tanjombato .
Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Polisy.Nosamborina avy hatrany ireo roalahy hita nampiahiahy teo amin’ilay toerana izay nilaza fa naman’i GAGA tokoa ary andeha hamonjy ny fotoana ifanaovan’izy ireo eny AMBOHITRIMANJAKA.
Nentina nanjonoana an’i GAGA teny amin’ilay toerana ifamotoanan’izy ireo izy roalahy ary tokony ho tamin’ny 7 ora sy 30 minitra no nigadona ilay toerana.Tokony ho tamin’ny 08 ora latsaka fahefany kosa no tonga nanatona ireto roalahy  HAJA RA-EX (jiolahy mpanakana amin’ny RN 7 iny).Kanjo tsikaritry HAJA RA-EX ny Polisy ka namoaka basy izy.Rafitra ny fifampitifirana  ka maty tamin’izany  ireto jiolahy 03 lahy.Ny  02 ihany no nahitana  taratasy momba azy tany aminy,ary basy vita gasy niaraka tamin’ny bala 04 (9mm) no hita tany amin’i HAJA RA-EX .

--_-NY MOMBA AZY IREO :
-RANDRIAMBOLAMANA Hajanirina Nicolas,teraka ny 23 mars 1977 tao Befelatanana,     monina ao Ambodirano lot IVZ 44 E TANA IV,chauffeur

-MANAMBELO Justin ;teraka vers 1971 tao Bekily Toliara,gardien
----------------------------------------------------
 Vaovaon'ny  service Central des STUPEFIANTS
Nahazo vaovao ny Polisy avy ao amin’ny Service Central des Stupéfiants et des Substances Psychotropes (STUP) fa misy rongony dimy gony tonga eto Antananarivo avy any Atsimo ka fantatra fa izany MANDILISOA avy any TOLIARA izay mipetraka eto ANTANANARIVO ny tompony.
Efa fantatry ny Polisy fa any  antranon’i MANDILISOA ireo rongony ireo, nefa ity farany indray no tonga nanatona ny Polisy fa mahita olona manafina sy mivarotra rongony eny NANISANA. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia fantatra fa fandrebirebena fotsiny ny filazany mba hanodikodinana ny sain’ny Polisy.
Tonga teny an-tokatranon’i MANDILISOA eny TSARAHONENANA ny Polisy omaly, 14.05.08. nohodidinin’ny Polisy ny trano fonenany ary natao ny fisavana ka hita tao ambany carreaux ( la cave) ny rongony. Efa nariany tany amin’ny WC ny rongony sasany rehefa hitany fa voahodidin’ny Polisy ny tranony.
Efa in-dimy i MANDILISOA no tratra  tamin’ny raharaha rongony. Fantatra fa ao aminy daholo no mividy rongony ny eny amin’ny manodididna an’i TSARAHONENANA.
Olona 04 no voasambotra ka ny 02 mpivarotra ary ny 02 no mpividy.
Rahampitso, 16 mai no atolotra ny fitsarana ny raharaha.
----------------------------------------------------
Mpivady mpanao HOTELY eny IMERINTSIATOSIKA no nahazoan’ny Polisy renseignement fa ankoatry ny varotra hotely ataony dia mivarotra sy mamatsy rongony eny amin’ny manodidina izy ireo.
Tonga teny an-toerana ny polisy tamin’ny 14 mai 2008 nanao ny vela-pandrika ka voaporofo fa marina tokoa ny vaovao voaray.
Natao ny fisavana ny trano ka nahitana rongony iray sachet milanja eo amin’ny 250 grama tao am-pivarotany. Tao anaty tranon’ny akoho no nahitana harona taratasy nisy ilay rongony. Efa nigadra tamin’ny raharaha rongony ry zareo ary efa fanintelon’ny nahatratrarana azy ireo izao.
-RAKOTONDRAZAFY Jean Claude, 40 taona
-MBOHARILALAO Michelle Jeannine, 40 taona
Rahampitso 16 mai no hiakatra fitsarana azy ireo.  
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Vaovao GIR sy SUT Tsaralalana Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
09-05-2008

Jioalahy iray no maty voatifitry ny Polisin’ny GIR teny AMBOHIMAILALA ILAFY omaly Alakamisy, 08.05.08.
Naharay antso ny Poste de Police teny AMBOLOKANDRINA fa misy asan-jiolahy eny MAHAZO.
Nandeha teny amin’ny Commissariat de Sécurité Publique 2ème Arrondissement AMBOHIJATOVO AMBONY ny olona niharan’ny asa ratsy. Nantsoina avy hatrany ny Polisin’ny G.I.R.
    Mpandeha TAXI teo MAHAZO ho any AMBATOMARO no nosakanan’ny jiolahy roa nitana basy ka lasan’izy ireo ny vola 100.000  Fmg sy ny finday iray.

   Tonga teny an-toerana ny GIR nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nanomboka teo AMBATOMARO ny fifanenjehana hatrany AMBOHIMAILALA. Nisy ny fifampitifirana ka Jiolahy iray no lavo. Voa teo amin’ny lohany sy ny tratrany. Tratra teny aminy ny Basy iray marika MOD 83, calibre 7,65 miaraka amin’ny chargeur iray. Tafaporitsaka ny iray. 

-----------------------------------------------------------------------------------------------

Androany 07.05.08 tokony ho tamin’ny 03 ora latsaka fahefany, dia nahazo vaovao tamin’ny téléphone ny Polisin’ny G.I.R, fa misy telolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mihaodihaody eny ANKORONDRANO, eny ambadiky ny HENRI  FRAISE izay saika hanafika ny  orinasa SANIFER. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Polisin’ny G.I.R namonjy teny an-toerana. Nanao tifi-danitra ny Polisy, vaky nandositra izy telolahy sady namely tifitra ny Polisy. Tafaporitsaka ny voalohany fa ny iray kosa lavon’ny balan’ny Polisy. Hita tany amin’ity Jiolahy maty ity ny basy marika MAC 50 miaraka amin’ny bala 09 ary fonosan-drongony lehibe iray. Karapanondro sandoka, ary ny sariny no napetany tamin’ilay karapanondro amin’ny anaran-Drazanakoto Hery Léon Abel, terataka tamin’ny 13 Mars 1977 tao SOAVINANDRIANA, CIN N° 101.981.052.438, nalaina ny 23/01/96 tao Antananarivo VI, ary Duplicata tamin’ny 22.10.02, monina ao amin’ny IVA 26 Bis AMBOHIMANDROSO ANTANANARIVO VI. 

-----------------------------------------------------------------------------------------------

Vokatry ny hetsika nataon’ny Polisin’ny Commissariat Central sy ny SUT, nanao fisavana ny Fiara sy ny olona nifamezivezy teny amin’ny Faritra ANOSIZATO omaly Alakamisy, 08.05.08, dia fiara TAXI iray no nahitana lehilahy iray nitondra entana. Rehefa niangaviana izy hampiseho izay ao anatin’ilay entana dia nahitana rongony 04 sachet sy fonosana lehibe miisa dimy. Niaraka tamin’ny tavoahany iray fifohana azy antsoina hoe BONG.
     Avy any MORONDAVA i RANDRIANANDRASANA Frederic, mpanakanto ny lehilahy ary nilaza izy fa hanao Cabaret eto ANTANANARIVO, ka ilainy amin’izany ireto rongony ireto fa tsy hamidiny akory. Ar 500 ny nividianany ny fonosana iray ary Ar 2000 ny sachet nividianana azy tany MORONDAVA. Izay niangaviany mba havoaka an-gazety.

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Fitokanana Dispensaire Police Nationale( Sary) Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
07-05-2008

Image Exemple     Image Exemple

Image Exemple    Image Exemple

Image Exemple               Image Exemple

Image Exemple     Image Exemple

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
<< Début < Précédente 1 2 Suivante > Fin >>

Résultats 1 - 9 sur 10