Menu Content/Inhalt
Vous êtes le ième visiteur(s)
Maty voatifitra ny naman'i Dorick Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
25-03-2008
Lavon’ny balan’ny Polisy ny roalahy tamin’ireo naman’i Dorick raha niaraka taminy saika hanao fanafihana mitam-piadiana tokantrano iray teny IVANDRY ny harivan’ny SABOTSY, 22 Mars 2008 tokony ho tamin’ny 5ora.Teo amin’ny dimy teo ny isan’ireo jiolahy saika hanao ny fanafihana, Fiara 4L niloko Beige Crème no nitondra azy ireo. Afa nandositra i Dorick sy ireo namany sasany fa ireto roalahy ireto no tavela taorian’ny fifampitifirana teo amin’ny Polisy sy ireto jiolahy ireto.

Nisy nahita azy ireo nihaodihaody teny Ivandry ka niantso avy hatrany ny Polisin’ny Brigade Criminelle. Tonga teny Ivandry akaikin’ny siniben-drano ny Polisin’ny Brigade Criminelle sy ny GIR. Tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany hariva dia nigadona teny antoerana ireto jiolahy, nandeha fiara 4L. Nanao ny asany avy hatrany ny Polisy, raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ka lavo ny namany roalahy. Ny iray tsy fantatra anarana fa ny iray kosa dia RAMORASOA Mamy Hajarivo Paul Jocelyn, 29 taona; taratasy Certficat de mise en Liberté tratra tany aminy niaraka tamin’ny karapanondro no nahalalana fa vao avy nivoaka ny fonja izy raha niditra teny tamin’ny Avril 2006 noho ny fitanana Basy tsy nahazoan-dàlana , halatra miharo herisetra, fikambanana anatin’ny andia-jiolahy. Tavela teny aminy ny basy Pistolet MAKAROV iray sy vodina bala roa. Tafaporitsaka ihany koa ilay fiara 4L nitondra azy ireo.
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Tratra i Ravorona sy Ramaitre Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
17-03-2008

Jiolahy miisa 3 : « Ra-Maître sy Haja ary  Ra-Vorona » no azon’ny Polisim-pirenena ao amin’ny Commissariat Central Tanjombato ny 11 mars 2008 .
 Efa maro ny fitarainana voaray mikasika ireto jiolahy ireto resaka fanolanana ;fanafihana mitam-piadiana… Izay tena mampihorohoro ny mponina amin’ny faritra atsimon-drano iny.Fantatry ny mponina tsara fa Ra-Maître sy ny namany no mahavanona izany fa tsy misy sahy mijoro noho ny fandrahonana mahazo azy ireo.
Antso an-tariby avy amin’ny fokonolona teny Andoharanofotsy nilaza fa : «  mihaodihaody eny Ra-Maître sy ny namany” no nandraisan’ny Polisy ny andraikiny avy hatrany.Saika hitsoaka ireto jiolahy saingy noho ny fampitandremana no nampijanona azy ireo.
Talohan’ny fitarainana mikasika fanolanana no efa nisy raharaha lehilahy atao hoe BETA nangalatra lela-vola 6.000 .000 Ariary tamina karana.Henon’i Ra-Maître sy Haja izany ka notanan’izy ireo ankeriny BETA ary nakany vola 4.000 .000 Ariary ny fianakaviany.Niaiky ny heloka vitany izy ireo.
Maro ireo olona tonga nanao ny fitarainany tamin’izao nahatratrarana ireto jiolahy ireto,anisan’izany ity Ramatoa monina eny MAHABO Andoharanofotsy nanamarina fa Ra-Vorona no anisan’ny nanafika azy ny alin’ny 16 hifoha 17 febroary 2008.
Natao ny fisavana ny  tranon’ireto jiolahy ka hita sy tratra tao amin’i HAJA ny basy 02.

-RATOVONIAINA Yvon na Ra-Maître,teraka ny 29 novambra  1966 tao Fianarantsoa,manan-janaka iray ;
-RAKOTO Pascal Jean Marie na Ra-Vorona,teraka ny 20 mai 1973 tao Andoharanofotsy, monina ao Belambanana Andoharanofotsy  , manambady ary  niteraka iray.
-RAHERINOMENJANAHARY Hajatiana na HAJA (Ex-Militaire), teraka ny22 oktobra 1981 tao Befelatanana monina ao Saropody,  manambady niteraka roa.

         Natolotra ny fitsarana ny 15 mars 2008

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
vaovao avy amin'ny Polisim-pirenena Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
11-03-2008
Ny atoandron’ny Sabotsy,08 Mars dia naharay antso  ny Polisy fa misy andian-dehilahy mampiahiahy mihaodihaody eny amin’ny Faritra AMBATOMARO CARRIERE.
Tonga teny ny Polisy avy ao amin’ny Brigade Crimminelle nampian’ny Polisy avy amin’ny Commissariat de Sécurité Publique 3éme Arrondissement Antaninandro .
Raikitra ny fifanjevona teny an-toerana ka voatery nitifitra ny Polisy.
Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy raindahy efa ela nifampitadiavan’ny Polisy ary efa matetika voasambotra RAZAFINDRAVONY Rolland antsoina hoe VONJY KELY,30 taona, monina eny AMBOHIDRAPETO ANTANANARIVO ATSIMON-DRANO.
Basy Pistolet Automatique Vita gasy tany aminy,tsy nisy bala.
Afa-nandositra kosa ireo namany.


Tamin’ny Zoma ,07 Mars dia nisy lehilahy iray notifirin’ny jiolahy teo amin’ny ranjony havia .Roalahy no nanao ny asa ratsy ka lasan’izy ireo ny rojo tokony ho 24g.
Ny mpanome vaovao ny Polisy no nahalalana ny mombamomba ireto jiolahy ireto.
Fantatra ary fa hijery ny lalao baolina lavalava eny MAHAMASINA ireto jiolahy ireto ny Sabotsy,08 Mars ka natao ny fanaraha-maso sy ny vela-pandrika hisamborana azy ireo.
Rehefa rava ny baolina,olona vitsivitsy sisa.
Nisotro toaka tao ambanin’ny Gradin MAHAMASINA tokoa ireo jiolahy.
Natao ny fisamborana niarahan’ny GIR sy ny avy amin’ny Commissariat de sécurité Publique 8é Arrondissement ANALAMAHITSY.
Nanao tifi-danitra  ny Polisy,telo lahy no voasambotra ka ny roa tamin’izy ireo no nahavanona ilay asa ratsy teny ANKADIFOTSY.
 
 
Lehilahy iray avy any AMBATOFINANDRAHANA, antsoina hoe TSIAVALIKE Jean Désirè no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny SUT (Surétè Urbaine Tanà) Tsaralalàna teny Andavamamba Isotry ny Zoma 07 Mars 2008 teo noho ny fitoriana voaray tao amin’ity sampan’asa ity mikasika raharaha roa samihafa hanenjehana azy.
-Voalohany nanambana olona tamin’ny Basy sy fitondrana Basy  MAB Calibre 6,35mm tsy nahazoana alalana.
-Faharoa fanodikodinana zavatr’olona vato Beryl rose milanja 2,200kg mitentim-bidy 11.000.000 Ariary .
Manao asa fitrandrahana vato miaraka amin’olona (associés) maromaro no anton-draharahan’ity lehilahy ity .Ary rehefa nalefa taty  Antananarivo izy mba hivarotra ireo  vato ireo izay fananana itambarana dia tsy nahazoam-baovao mihitsy, noho izany dia voatery nanaraka azy taty Antananarivo ireo namany sasany mba hanontany vaovao mikasika ilay vato.
Tsy nahazo valiny mahafapo ireto namany fa narirarirany foana sady nampitahorany no nambanany tamin’ny basy .Ary nolazainy ireo namany fa naverina any Ikalamavony toerana nahitana azy ilay vato fa tsy misy mpividy satria vato ratsy karazana.
Noho ireo antony ireo dia natolotra ny fitsarana ity lehilahy antsoina TSIAVALIKE Jean Desiré ity ny Asabotsy 8 Mars 2008 lasa teo
 
 
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
vaova ny CSP 5 sy Gir Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
06-03-2008

Image Exemple    Image Exemple    Image Exemple

Nohon’ny fahatsapana fa mihamaro ny asan-jiolahy tato ho ato teto an-drenivohitra Antananarivo, dia manao hetsika manokana ny polisy iarahan’ny Commissariat Central sy ireo Arrondissement valo ary ireo Poste de Police rehetra .Hetsika maharitra mihitsy, indrindra amin’ireo Faritra mafampana toy ny eny ANOSIBE,ANDAVAMAMBA, ANDRANOMANALINA, ANTOHOMADINIKA, sns…….Hetsika iarahana amin’ireo Andrimasom-pokonolona sy ny Komitin’ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fanomezam-baovao sy fiarahana manao andiany eny amin’ny faritra samihafa.Androany  maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30mn dia nahazo antso an-téléphone ny polisy ao amin’ny Commissariat de Sécurité Publique 5ème  Arrondisement Mahamasina fa misy tokantrano (grossiste Bonbon) eny ANOSIBE ANDREFANA I tafihan’ny jiolahy.Roalahy no nanafika ity tokantrano ity ka ny iray nitam-basy nanambana ireto mpivady tompon-trano ary ny iray nitatitra sy namoaka ny entana.Lasan’izy ireo tamin’izany ny lelavola Ar75 000, firavaka volamena isan-karazany, Bafle miisa efatra, Scène iray, Logiciel UNIVERSALIS
2007, Finday , ary lamba firakotra .Nataon’ny Polisy ny fanakanana ireo lalana mivoaka rehetra ao ANOSIBE.Natao ny fitiliana sy fikarohana ka nisy TAXI 2CV iray nosakanana ; nasaina nivoaka ny lehilahy roa tao anatiny, avy hatrany ny iray dia namoaka ny basy tany am-balahany, mbola tsy nahapoaka ny basiny akory izy dia tonga aloha ny an’ny Polisy ka lavo ilay  jiolahy .Nahita izany ilay iray dia nivoaka , noho ny andro maizina ,tsy fantatra izay ho fihetsik’ity jiolahy iray ,ny fiarovan-tena tsara indrindra dia ny fanafihana ka dia nitifitra ny Polisy ka maty ihany koa ilay jioahy iray.Tratra tany amin’ilay jiolahy iray ny basy P A T T niaraka tamin’ny bala roa .Momota no anaram-bositry ity jiolahy ity ka vao avy namita sazy tany am-ponja izy  izao nanohy ny asa ratsiny izao indray ary efa voasambotra tao amin’ny Commissariat de Sécuritè de Police 5é Arrondissement MAHAMASINA .Ny iray kosa dia tsy fantatra ny momba azy, nahitana fonosan-drongony tany aminy.
Ny Polisin’ny 5é Arrondissement sy ny GIR no niaraka nanao ny fihazana ireto olon-dratsy ireto
Efa  tafaverina amin’ny tompony ireo firavaka volamena. 

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
 
Vaovaon'ny CSP Tanjombato_vehivavy namono zanaka Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel   
04-03-2008

Vehivavy iray antsoina hoe RASOATSARAHAVA Delphine, 33 taona, efa niteraka iray, monina eny AMBOHIMANATRIKA, namono nahafaty ny zanany vavy kely vao teraka tamin’ny alalan’ny fanakendana ka rehefa tsy nisy aina intsony dia nalatsany tany andavam-piringa (WC). Mpiara manofa trano aminy nivoaka tao amin’ilay kabone no nahatsikaritra ny fisian’ilay fatin-jaza ka nilaza tany amin’ny Fokontany AMBOHIMANATRIKA. Ny komitim-Pokontany no nanatona ny Polisy tao amin’ny Commissariat Central TANJOMBATO omaly Alarobia, 27.02.08. Tonga teny an-toerana ny Polisy, nakarina avy ao an-kabone ilay fatin-jaza. Nanao ny fanadihadiana ny Polisy, ka fantatra fa vehivavy iray tao amin’ilay trano misy ny kabone no fantatra fa tera-bao tamin’ny 02 marainan’ny Alatsinainy 25.02.08 tokony ho tamin’ny 01 ora.
Miara-monina amin’ny zaobaviny ity vahivavy niteraka ity ka io no niaiky ny ratsy vitan’izy ireo. Ity zaobaviny ity no nampiteraka azy ary niray tsikombakomba taminy tamin’ny fanariana ilay zaza tany an-kabone rehefa avy nokendaina sy nopolopolesina ho faty sao mitomany raha alefa any an-kabone velona.
Mbola nandainga ny renin’ilay zaza tamin’ny voalohany nanaovana fanadihadiana azy, nambarany fa poritra izy dia nandeha nivoaka tao amin’ilay kabone ka tamin’izany no tafaporitsaka ilay zaza dia lasa tany an-davaka. Niaiky ihany anefa izy rehefa nilaza ny marina ilay zaobaviny RASOAZANANY, 50 taona, vadin’ny anadahiny. Nambarany fa noho ny tsy firaharahian’ilay lehilahy nahabevohoka azy izay nisaraka taminy tamin’ny volana Oktobra no antony izao fihetsiny izao.

Image Exemple         Image Exemple         Image Exemple

 

Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )