|
|
Écrit par LALAY Kamasy G.
|
|
05-02-2008 |
|
VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA Ny 23 Novembre 2007, dia niharan’ny halatra narahana herisetra ny lehilahy iray mpanamory fiaramanidina, teo ANJANAHARY akaikin’ny OMEGA COLOR. Very tamin’izany ny solomaso, ny finday, ny gourmette volamena milanja eo amin’ny 40g. roalahy nitonda ‘’Big Boss’’ sy antsy no nanendahana azy. Nandositra nankany ANDRAVOAHANGY izy ireo taorian’ny asa ratsiny. Nandray an-tanana ny raharaha ny Commissariat de Sécurité Publique 3ème Arrondissement ANTANINANDRO. Araka ny vaovao avy amin’ny Polisy dia avy ao amin’ny Fokontany ANJANAHARY II ireto mpanendaka ireto, taorian’ny fikarohana dia voasambotra ny iray tamin’ireo jiolahy RAKOTONIRINA Antoine, 53 taona, niteraka efatra, tsy manana asa. Araka ny fanamarihana nataon’ilay lehilahy voaendaka sy ny vavolombelona nahatazana ka nahatadidy ireo olon-dratsy dia ny iray tamin’izy roalahy tokoa ity lehilahy tratra ity. Natolotra ny fitsarana tamin’ny 25 Janvier 2008 teo izy ka voatana eny amin’ny Fonjan’ANTANIMORA. Amin’ny 31 Janvier 2008 amin’ny 1 ora ny fotoam-pitsarana. FAMANGINA IREO ZANAKA POLISY KAMBOTY ANY AMBATOLAMPY ANTSIRABE Toy ny fanaony isan-taona dia tonga nanatitra fanampiana ho an’ireo ankizy kambotin’ny Polisim-pirenena any AMBATOLAMPY ny Fikambanana THAI-MADA.Tonga maro tany an-toerana ireo mpikambana ao amin’ny THAI MADA niaraka tamin’ny Consulat-n’nyThaillande. Nandray ny fanampiana tamin’ny anaran’ny Polisim-pirenena, nisolo tena ny Sekreteram-panjakana ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police TALBOT Antoin.Lelavola 4.000.000 ar (20.000.000 fmg) no natolotry ny fikambanana ho an’ireo ankizy taizana, miampy fotsimbary 20 gony (1000 kg), tsaramaso 5 gony (250 kg) , voanjobory 5 gony (250 kg), menaka 30 litatra , vovon-tsira, vovon-dronono, Tiko fruits, sardine. Efa dimy taona no niasan’ny fikambanana manampy ny akany. Miisa 51 ankehitriny ireo ankizy beazina ao amin’ny Akany ka ny 29 no vehivavy , ary 22 kosa lehilahy ,5 taona no zandriny indrindra ary 20 taona ny zokiny indrindra. Miisa 13 ny mpiasa ary ny 8 kosa sivily izay misy mpitsabo sy Teknisianina amin’ny fambolena. Ny alin’ny Talata, 08 Janvier 2008 tokony ho tamin’ny 10 ora alina dia nisy olona tonga tao amin’ny Commissariat de Sécurité Publique 3ème Arrondissement ANTANINANDRO, nitaraina fa nisy namaky ny tranony eny MAHAVOKY ka very ny entany. Nifanojo indrindra tamin’ny fahatongavan’io olona io no nisy roalahy nentin’ny Polisy tao amin’ny Commissariat fa tratran’izy ireo nitondra entana : Télévision sy Ordinateur ary Imprimante ka nampiahiahy, teny amin’ny faritra AMBODIVONA. Fantatra teo fa entan’ilay olona tonga nanao fitarainana ireo ary mpiasany mpibata entana ao amin’ny tsena ANDRAVOAHANGY ny iray tamin’ireo roalahy nentin’ny Polisy. Mpivarotra eo amin’ny Tsena ANDRAVOAHANGY ireto tompon’entana ka tokony ho tamin’ny 8 ora dia nirahana nanatitra entana tany an-trano ity mpanampy ity. Tamin’izany dia tsy nohidiany intsony ny trano fa nakatony fotsiny. Nateriny tany amin’ny mpampiasa azy ny fanalahidy ary nolazainy fa efa mihidy ny trano. Niverina niaraka tamin’ny namany izy avy eo naka ny entana dia izao nifanehetra tamin’ny Polisy izao. |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
FIARAHABANAN'NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA |
|
|
|
|
Écrit par LALAY Kamasy G.
|
|
04-02-2008 |
|
VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA FIARAHABANAN'NY MINISITRY NY FILAMINAM-BAHOAKA Nontontosaina teny amin’ny Cercle Mess de la Police Nationale ny fotoam-piarahabana tratry ny taona vaovao ny Ministry ny filaminam-bahoaka ny Inspecteur Général de Police RASOLOFOMANANA Désirè mivady, izay notronin’ireo Tale maromaro sy ny lehiben’ny sampan’asa rehetra misy ato amin’ny Polisy.Teo no nanararaotra nifampiarahabana ho an’ireo mbola tsy nifankahita fa samy raikitra amin’ny asany. Nisy ny fifandimbiasam-pitenena ka nitarika izany ny Contrôleur Général de Police TALBOT Alexis René , Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ary tamin’izany fandraisany fitenenana izany no nanoritsoritany sy nilazalazany ary nanaovany jery todika ny ezaka vitan’ny Polisim-pirenena sy ny vokatra azo nandritra iny taona lasa iny.Anisan’izany ireo zava-bita nisongadina teo amin’ny lafiny fanenjehana ireo fandikan-dalàna misy, ny vokatra azo mikasika ny fifandraisan’ny polisy eo amin’ny tontolon’ny fiaraha-monina , ny lafiny ara-tsosialy , ireo vinavinan’asa sy ny politika ankapobeny izay entina hanamafisana sy hanatsarana bebe kokoa ny fomba fiasa eo amin’ny Polisim-pirenena sy ny fepetra noraisina manoloana ny zava-misy ankehitriny sy ny mbola ho avy ihany koa. Taorian’izay kabary nataon’ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena izay dia nandray fitenenana ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka ; ny Inspecteur Général de Police RASOLOFOMANANA Désirè izay nanolotra fisaorana feno ireo nanatrika sy nanome voninahitra ; ireo Tale maromaro sy lehiben’ny sampan’asa ao amin’ny fianakaviamben’ny Polisy .Voalazany tao anatin’ny lahateny nataony fa sehatr’asa enina hoy izy no tsy maintsy tanterahina amin’ity taona 2008 ity ary miompana indrindra amin’ny fandriampahalemana ; ka ny fandriampahalemana isam-paritra no voaloha-lisitra amin’izany , nambarany tamin’izany ihany koa fa mihamafy hatrany ny asa hiandraketan’ny Polisy indrindra manoloana ny asan-jiolahy mahery vaika ka nirariny fankaherezana ireo Polisy amperin’asa rehetra , ary hita hoy izy fa tena misy tokoa ny ezaka hataon’ny Polisy mba hamongorana ny tsy rariny ary misy ny aina nafoy noho izany , misy ny maratra, nefa nankahery ny Polisy izy mba tsy hikely soroka tokoa amin’ny fanatanterahana ny asa.Taorian’ny laha-teny nataon’ny Ministra moa dia nisy ny fanomezana avy amin’ny fianakaviamben’ny Polisy natolotra azy mivady mba ho fiarahabana tratry ny taona 2008 sy ho firariantsoa ihany koa Nofaranana tamin’ny fiarahana miala hetaheta izany lanonana izany |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
Écrit par LALAY Kamasy G.
|
|
04-02-2008 |
|
VAOVAO AVY AMIN’NY POLISIM-PIRENENA FAMINDRAM-PAHEFANA Notontosaina androany maraina (zoma 11.01.08) tamin’ny 10 ora teny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy eny IVATO ny famindram-pahefana teo anivon’ny Polisim-pirenena. Teo amin’ny Talé Jeneralin’ny Polisim-pirenena vaovao, ny Contrôleur Général de Police TALBOT Alexis René Antonin sy ny Talé Jeneraly teo aloha, ny Contrôleur Général de Police RAHAINGO Jacky. Lanonana ara-miaramila notarihan’ny Sekreteram-Panjakana Misahana ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RASOLOFOMANANA Désiré no nentina nanamarika izao famindram-pahefana izao. Tamin’ny fandraisana fitenenana fohy nataony no nanambaran’ny Contrôleur Général de Police RAHAINGO Jacky, Talé Jeneralin’ny Polisim-pirenena teo aloha fa ny asa vitany nandritra ny 25 taona naha Polisy azy sy ny 5 taona naha Talé Jeneraly azy no aoka hitsarana ny asa vitany teo anivon’ny Polisim-pirenena. Tsy nohadinoiny koa anefa ny nisaotra ireo rehetra niara niasa taminy hatrizay. Ny Contrôleur Général de Police TALBOT Alexis René Antonin Talé Jeneraly vaovao kosa dia nisaotra ny fitondram-panjakana amin’izao fametrahana fitokisana aminy izao ary nanome toky izy fa hiasa sy hanao ny ezaka rehetra mba ho mendrika izany fitokisana izany. Ny Sekreteram-Panjakana Misahana ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RASOLOFOMANANA Désiré kosa dia nanolotra fisaorana feno ho an’ny Talé Jeneraly teo aloha tamin’ny asa vitany nanandratra avo ny Polisim-pirenena. Raha nitodika tamin’ny Talé Jeneraly vaovao kosa izy dia tsy nihambahamba nilaza fa mafy ny asa miandry azy ary miha sarotra hatrany nefa tsy maintsy resena. Nitsodrano ny Talé Jeneraly vaovao izy mba hahavita antsakany sy andavany ny asa nankinina aminy. VAOVAO SAMY HAFA Ny 06 Novambra 2007 dia naharay fitoriana mikasika fahaverezana MOTO SCOOTER lehibe iray ny Polisy ao amin’ny Poste de Police de Proximité Ampefiloha. Nanao filazana tamin’ny Gazety Vidy Varotra ny tompon’ity MOTO ity mba hitadiavana mpividy. Naharay fiantsoana izy fa hisy hijery ilay MOTO ka teo amin’ny PARKING Ampefiloha ny fotoanao. Tonga tamin’ny fotoana lehilahy iray nanao fitafiana mihaja nitonona ho DGA-n’ny MAGRO . Fiara nofaina no nitondra Azy ary nasainy niandry teo fa mbola tsy nomeny ny hofany. Niroso tamin’ny ady varotra izy ka raikira roa tapitrisa Ariary ny vidin’ilay MOTO. Nalefany naka vola any an-trano ny lehilahy iray nolazainy fa zandriny. Nasainy nanao ny taratasy fifampivarotana ny tompon’ilay MOTO ary izy hanao fanandramana an’ilay MOTO sao tsy mandeha tsara fa an’ny zanaky ny DEBA ka mety hampigadra azy raha MOTO ratsy no entiny. Iny ilay MOTO no nentiny nandositra Tratra tamn’ny alakamisy 10 janoary teo teny MANAKAMBAHINY izy ary nanondro ny namany sy ny olona nivarotany ny MOTO. RABEMANANJARA Rolland antsoina hoe: IANJA na JOY’K, efa nigadra tamin’ny resaka MOTO izy ka MOTO 07 no efa nangalariny ary mitovy hatrany ny fomba nangalarany azy. Nisy fitoriana mamba azy any amin’ny SUT TSARALALANA, POLISY faritany AMBOHIDAHY, CSP 5é arrondissement MAHAMASINA, BC 4. RAVELOMANANTSOA Alain Didier antsoina hoe: DIDI ilay namany. Tamin’iny taona 2007 iny dia betsaka ny MOTO halatra tratra tao amin’ny Poste de Police AMPEFILOHA ka saika ireo Polisy manao fisafoana amin’ny alina no mahartatra azy. Nisy ireo efa nalain’ny tompony rehefa nazava ny taratasy momba azy, nisy ireo mbola voatana ao amin’ny Poste de Police. Androany maraina (Zoma 11/01/08) rehefa nanao fisafoana toy ny fanaony ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police de Proximité Ampefiloha dia nahatratra roalahy nitondra entana nifono botofotsy teny ISOTRY tamin’ny 04 ora maraina. Rehefa nosavaina dia karazan’entana toy ny vilia aman-tsotro, fitafiana,fera,rideau, lecteur no tao. Nanda ihany izy ireo nefa niaiky ihany fa avy namaky trano teny FARAVOHITRA tamin’ny 02 ora maraina.. Nahitana taratasy misy adiresy sy ny telefaonan’ny tompon-trano tao anatin’ireo entana ka nantsoina ary dia nilaza fa vaky tokoa ny tranony. Nisy tovolahy iray tonga tao amin’ny Poste de Police nilaza fa azy ilay Sac nitondran’ireto mpangalatra ny entana sasany ka avy harany dia notanana ho mpiray tsikombakomba amin’ireto mpangalatra. RAKOTOMIHANINA Tojoniriana RADRIANJAKA Jean Michel RAFANOMEZANTSOA Joacyn, tompn’ilay Sac |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|
RAHARAHA CELILIEN MPIASA TAO AMIN'NY ATITANY NISY NAMONO |
|
|
|
|
Écrit par RANDRIANANTENAINA Samuel
|
|
04-02-2008 |
|
Voasambotry ny Polisy avy amin’ny Service Centrale des Affaires Crimminelles ANOSY ireo nahavanon-doza namono nahafaty an’Itompokolahy Jules Antoine Cecilien Aurélien, Tale misahana ny fanaraha-maso tao amin’ny ministeran’ny ati-tany , izay nanomboka tsy hita ny 10 Oktobre 2007 lasa teo. Ny vadiny izay niterahany dimy no ati-doha namolavola sy nanatanteraka ny famonoana niaraka tamin’ny lehilahy roa. -RAZAFINDRAVOLA Agnes, 54 taona -RAJAOMERISON Rodolphe, 47 taona -SOLONIAINA Adrien, 42 taona Ny 16 Oktobre 2007 no tonga tao amin’ny Service Central des Affaires Crimminelles ny vadin’Ingahy Tale fa tsy hita nanomboka tamin’ny 10 Oktobre 2007 ny vadiny.Tamin’io fotoana io ihany koa no nametraka ny azy ny avy ao amin’ny minsteran’ny Ati-tany. Rehefa nanontaniana ny nahitany ny vadiny farany izy dia nilaza fa niaraka tamin’ny namany antsoina hoe Tofa sy ny rahalahiny monina ao Manarintsoa izy. Rehefa natao ny famotorana an’i Tofa dia nilaza izy fa niaraka tokoa ry zareo, niara-nisotrosotro tamin’io hariva io. Niala tao antranon-dry Tofa tokony ho tamin’ny 8 ora alina ary nandeha tany amin’ny Bar MAXIM 67ha.Niala tao tamin’ny 10 ora alina ary naterin-dry Tofa tany antranony. Ny apitso 11 oktobre 2007 dia tonga haka azy toy ny mahazatra ny mpamiliny dia nilazan’ny tao antranony fa tsy ao izy fa jereo any am-piasana. Ny 23 Janvier 2008 dia nahazo vaovao fa tamin’ny volana oktobre 2007 dia nisy olona telo , vehivavy iray sy lehilahy roa nitondra entana mavesatra tamin’ny sakaosy ka rehefa niala tamin’ny TAXI dia notaritaritina tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina .Nanaitra ny manodidina io toe-javatra io ka tonga tao amin’ny toerana nivantanan’ireo olona ireo ny komitim-pokontany rehefa nazava ny andro fa tsy nahatsikaritra na inona na inona. Olona monina eny amin’ny 67ha no tompon’ny tanàna . Tonga teny an-toerana ny Polisy ny alakamisy, 24 Janvier 2008 nanao ny fanadihadiana ka fantatra fa tamin’ny volana Septembre 2007 dia nampanao lavaka ity ramatoa ity fa hoe hanaovana WC, nefa taty aoriana dia voatototra ilay lavaka ary nasainy nanorenana trano kely hanaovana lakozia teo amboniny. Tamin’ny fotoana nanomezany baiko fa hanaovana lakozia teo amin’ny toerana dia nambarany fa tsy maintsy vitaina ao anatin’ny iray andro . Ilay olona niady ny lavaka no nanoro ny polisy ilay toerana nisy io lavaka io ka natao ny fiadiana .Hita tao tokoa ny sakaosy jiafotsy nisy ny Razana. Nalaina ambavany ny vadin’Itompokolahy fa dia niaiky fa izy no nampamono ny vadiny. Ny antony dia tsy mba nahita fiadanana mihitsy izy tao amin’ny tokatranony noho ny ditram-badiny ka dia naleony novonoina dia amin’izay samy tsy manana Araky ny fitantarany dia ny namany antsoina Rodolphe no nantsoiny hanampy azy, ka io no nitondra namana iray.Rehefa voasambotra i Rodolphe dia niaiky ihany koa ny heloka nataony. .Mamo i Tompokolahy niditra ny trano ny alin’ny 10 Oktobre 2007 ka natory, Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina dia tonga Rodolphe sy ny namany iray rehefa nantsoina tamin’ny Téléphone. Teo am-pandriana hatory iTompolahy no novelesin’I Solo naman-dRodolphe tamin’ny Martou teo amin’ny fehirifany.Nodarohan-dRodolphe in-telo tao amin’ny hatony tamin’io martou io ihany ary Ramatoa vadiny no nanaram-po nidarodaroka azy farany. Nandriaka tokoa ny rà teo am-pandriana; efa nisy kidoro vaovao nomanin-dRamatoa ka nosoloany avy hatrany ny kidoro. Nampiakanjon-dry zareo ny maty, nampidiriny ny famataranandrony sy ny firavaka fanaon’Itompokolahy . Nofonosiny sachet ny razana dia naforetiny tao anaty sakaosy jiafotsy lehibe. Nentina tamin’ny TAXI ka in-telo niova TAXI vao tonga teny AMBOHIMAHITSY Efa vonon ny lavaka ka dia nalatsaka tao ary dia nototofana.10.000.000.fmg ny karaman’izy roalahy ka ny 6.000.000 fmg no avy hatrany dia nomeny fa ny 4.000.000 fmg ny hapitso vao nalaina tany amin’ny Caisse d’Epargne. Ilay Ramatoa vadiny sy Rodolphe no efa tratra fa i Solo mbola karohana. Rahampitso no atolotra ny fitsarana. |
|
Dernière mise à jour : ( 01-10-2009 )
|
|
|