Print this Page

COSPN

ÉQUIPE COSPN  Kick boxing: Dons offertes par la Compagnie VIDZAR

Omaly 18 Marsa 2013 dia tonga nanolotra fitaovana hanaovana fanazaran-tena ho an’ny mpiangaly ny taranja kick-boxing eo anivon’ny Polisim-pirenena ny Compagnie VIDZAR; fanampiana izay ilaina amin’ny fanomanan-tenan’ny ekipa hiatrika ny “Championnat du monde militaire” amin’ity taranja ity. Ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, izay “Président d’honneur” ny COSPN no nandray ireo fanomezana ary natolotra ny Commissaire de Police RAKOTONJANAHARY Fidèle izay tompon’andraikitra tekinika momba ny taranja “kick-boxing” eo anivon’ny Polisim-pirenena ireo fitaovana ireo izay nahitana Gants miisa telo (03); protège-tibias miisa enina (06); protège-dents folo (10) ary sacs de sable roa (02).

Marihina fa tsar any vokatra azon’ny COSP Kick-boxing nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taona fahadimy notontosain’izy ireo ny Sabotsy 16 Marsa 2013 lasa teo: Mpikatroka avy amin’ny Klioba miisa 19, voafantina tamin’ny alalan’ny fifanintsanana no nihaona tamin’izy ireo ka nibata fandresena sivy (09) tamin’ireo ady teloambinifolo (13) natrehany ny COSPN.

 

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?page_id=708