«

»

Déc 26 2017

Print this Article

POINT DE PRESSE DGPN-ANOSY:HAMAFISINA NY FITANDRONA NY FILAMINANA NA ANDRO NA ALINA MANERANA NY NOSY MANDRITRA NY FETY

Ny 20 desambra teo dia nanatanteraka valan-dresaka momba ny fitandroana ny filaminana amin’izao ankatoky ny fety izao ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Nitarika izany Atoa Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police ERICK Michel niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny Tale-paritry ny Filaminam-bahoaka, ny Talen’ny Hery vonjy taitran’ny Polisim-pirenena, Ny Lehiben’ny Kaomisarian’Antananarivo Renivohitra ary ny Komandin’ny Hery Vonjy Taitra FIP-Antanimora.

Andraikitry ny Polisim-pirenena ny fitandroana ny filaminana, ary miezaka hatrany izahay manakaiky sy manampy ny vahoaka ao anatin’ny fanatanterahana izany.

Tsy mitsahatra, ary hamafisina ireo ezaka rehetra efa vita atreto, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fety izao, ary ho jerena manokana ireto lafiny manaraka ireto:

• Ny fifamoivoizana eto andrenivohitra sy ny manodidina, ezahana hatrany ny hisorohana ny fitohanana sy ny hampianarana ny olona amin’ny fanajàna ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Efa nisy toro-marika hentitra napetraka amin’ireo lehibe isan-tsokajiny amin’ny fanatanterahana izany.

• Amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana, dia nisy fepetra manokana noraisina ihany koa amin’ny fanamafisana ny fisafoana eny anivon’ny fokontany , ary indrindra ireo faritra ifamezivezen’ny olona.

• Nohatevenina ny isan’ireo mpitandro ny filaminana ahafahan’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka mankalaza ny fetin’ny Krisa am-pilaminana sy am-pitoniana.

Miisa 3627 ireo Polisy hisahana tsy miato, na andro na alina ny fitandrona ny filaminana manerana ny Nosy mandritra ny fety, ary ny eny anivon’ny Commissariat Central sy ny Commissariat de Police ary ny Poste de Police no tena voakasika manokana amin’izany (Consignation ferme).

Handray anjara feno amin’izany ihany koa ny avy eny anivon’ny hery vonjy taitra “Force d’Intervention” sy ireo vodrona manokana na “Unités Spécialisées”amin’ny fanaovana fisafoana tsy miato.

Marihina fa ny asa sy andraikitra sahanin’ny Polisy isan’andro ihany no nasiana fanatevenana sy lamina manokana amin’izao ankatoky ny fety izao.

Eto ampamaranana dia mirary fetin’ny Krismasy sambatra sy am-pilaminana ho antsika vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka ny Polisim-pirenena.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=9940