«

»

Déc 27 2017

Print this Article

CSP1-ANALAKELY: DIMY LAHY INDRAY NO VOASAMBOTRY NY POLISIN’NY BORIBORITANY VOALOHANY

Tafiakatra efapolo (40) amin’ireto tratra ireto ny isan’ny mpangaro-paosy sy mpanao sinto-mahery ary mpanendaka voasambotra teny amin’ny faritra analakely sy ny manodidina tato anatin’ny telo volana farany izay. Efa fanamby napetraky ny kaomisaria Analakely ny hamongorana ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery izay manaratsy endrika iny faritra iny, ary tsapa sy hita maso ny vokatr’izany tato anatin’izay telo volana farany izay.

Lehilahy miisa dimy (05) indray no voasambotry ny CSP-1 ny faran’ny herinandro lasa teo noho ny resaka sinto-mahery sy haro-paosy, ka tsy ampy taona ny iray amin’izy ireo.
Ny iray dia voasambotra teny behoririka teo ampangarona poketran’olona mpiantsena, ny ambiny kosa dia tra-tehaka teny amin’ny faritra Petite vitesse, soarano sy esplanade Analakely.

Polisin’ny boriboritany voalohany manao fanamiana sivily izay efa napetraka hanara-maso eny an-toerana no nitily sy nisambotra ireto mpanendaka sy mpangaro-paosy ireto, raha tsiahivina dia hatramin’ny nametrahana ity paik’ady vaovao ity dia efa maherin’ny efapolo (40) ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery voasambotry ny Polisin’ny CSP1 teny amin’iny faritra iny, ary tsy mitsahatra hatreo izany ezaka izany fa hotohizana hatrany.

Natolotra ny Fampanoavana ny 21 desambra 2017 teo izy dimy mirahalahy ireto ary efa notanana am-ponja eny Antanimora

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=9915