«

»

Déc 27 2017

Print this Article

Dimy Lahy Tra-Tehaky Ny UIR Teo Am-Pamakiana Restaurant Iray Tamin’ny Telo Sasany Maraina, Nanohitra Ireo Olon-Dratsy, Nirefotra Ny Basy, Voasambotra Ny Telo (05) Tamin’izy Ireo

Nahazo antso avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny Polisin’ny UIR fa misy dimy lahy miakanjo mainty hafahafa fihetsika , eny amin’ny faritr’AMBONDRONA, ny faran’ny herinandro teo tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30 minitra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny “Unité d’Intervention Rapide” ka tratran’izy ireo teo ampanokafana ny varavaran’ny RESTAURANT lehibe iray lehilahy miisa dimy (05).
Vao nahita ny UIR ireto olon-dratsy ireto dia mbola nikasa ny hanohitra, nanao tifi-danitra fampitandremana ny Polisy, ary dia vaky nandositra ireto farany, raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra ny telo lahy (03) izay mbola niaraka tamin’ilay “barre à pince” izay namoahany an-keriny ilay varavarana, roalahy (02) kosa tafaporitsaka ary mbola karohina hatramin’izao.
Tamin’ny famotorana natao tamin’ireo jiolahy ireo no nilazany fa mila manao fety izy ireo saingy tsy misy vola ka tsy maintsy mitady.
Natolotra ny fitsarana ny 22 desambra 2017 teo azy telo lahy (03) voasambotra ireto ary efa notanana am-ponja eny Antanimora.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=9895