«

»

Déc 27 2017

Print this Article

UIR-TSARALALANA: Efa-Dahy Hafahafa Fihetsika Voasambotra Teny Ambodin’isotry , Nahatratrarana Basy Poleta Iray Tao Anaty Kitapon’iray Tamin’izy Ireo

Rehefa nahazo loharom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) fa misy andiana tovolahy mampiahiahy miaodiaody eny amin’ny faritra Ambodin’isotry iny, dia avy hatrany nidina teny an-toerana ireo Polisin’ny UIR nanao fanamiana sivily nijery ny zava-nisy marina sy nanara-maso ny fithetsik’ireo olona voalaza.
Niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna an’ireo efa-dahy ireo Polisy nanao ny fitsirihana, ka nahitana basy poleta iray tao anatin’ny kitapon’iray tamin’izy ireo. Irony sokajiana ho “pistolet d’alarme” irony no hita tao anatin’ilay kitapo, izay marihina fa izy itony no tsikaritra tato ato fa fampiasan’ireo jiolahy izay manao fanafihana sy vaky trano eto Antananarivo, noho izy ireny mitovy tsy misy valaka amin’ireo Poleta tena izy, ary koa mipoaka mafy toa ny basy.
Tsara marihina ihany koa fa azo asiana fanovana izy itony (modifiable) ka mety mahafaty mihintsy.
Nandraisana fepetra izy efa-dahy ireto ka nentina natao famotorana teny amin’ny SUT Tsaralalàna, ary natolotra ny fitsarana, satria dia tsy mazava ny nahatonga azy ireo niaodiaody teny an-toerana sy ny antony nitondrana ity Poleta ity..
Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana, dia mampitandrina ny Polisim-pirenena fa tsy mandefitra velively manoloana ny toe-javatra mampiahiahy toy izao, ary manentana antsika izay mitana fitaovana toa ireny mba ho tompon’andraikitra tokoa ary hampiasa izany araky ny tokony ho izy sy araky ny fitsipika sy lalàna mifehy izany, fa tsy natao isehosehoana na koa hanomezana vahana ny asa fanakorotanana.
Ny laharan-tariby azonao iantsoana ny UIR raha toa ka misy vaovao tianao ampitaina na toe-javatra mampiahiahy.
UIR (Unité d’Intervention Rapide): 034 05 517 22

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=9888