«

»

Juil 19 2012

Print this Article

Vaovaon’ny COSPN

Atlela 25 mianadahy avy amin’ny COSPN Lutte, Athlétisme, Boxe Olympique, Judo no notolorana «Prime de performance» sy «Lettre de félicitation» nandritra ny lanonana tsotsotra notarhin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminana Anatiny, Ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, Ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministera,  ny Tale misahana ny maha-olona ary ny Solontenan’ny Talem-paritry ny Polisim-pirenena eto Antananarivo androany 18 Jolay 2012 tao amin’ny trano fivorian’ny Ministeran’ny Filaminana Anatiny.  Nandritra ny lahateny nataony dia nanambara ny Tale Jeneraly, ny Contrôleur Général RAKOTONDRATSIMA Désiré Johnson, izay Filoham-boninahitry ny COSPN fa nitondra avo ny voninahitry ny Klioba ary reharehan’ny Polisim-pirenena izy 25 mianadahy ireto noho ny ezaka lehibe nataon’izy ireo, ny fitavany ny fanatanjahan-tena ary noho ny fanohanana nataon’ny mpitantana ; nampirisika ny tsirairay izy mba hanatsara bebe kokoa ny zava-bita.  Raha nandray fitenenana Andriamatoa Minisitry ny Filaminana Anatiny dia naneho ny hafaliany sy nankasitraka ny fahombiazana lehibe azon’ny COSPN satria tsy mitsanga-menatra ny Polisim-pirenena raha ny fanatanjahan-tena no lazaina ; io rahateo, hoy izy,  no isan’ny fototry ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina. Nanolotra ny firarian-tsoa ireto atleta ireto izy mba hahomby hatrany ary nampanantena fa hiezaka araka izay azo atao  ny Ministera hanampy amin’ny lafiny ara-bola, indrindra raha misy fifaninanana hatrehana.     Ny solon-tenan’ireo Atleta kosa dia nanolotra ny fisaorana ary nanolotra, ho an’Andriamatoa Minisitra, « Coupe de Meilleur Club Athlétisme Analamanga», ny « coupe de Vice-Champion Marathon» natao tany La Réunion ary ny Médaille tamin’ny Relais 4*400m izay efa nanjakan’ny COSPN nandritra ny taom-pilalaovana maromaro. Ny Tale Jeneraly sy ireo Tale nanome voninahitra ny fotoana dia notolorana Médailles avy amin’ny Atleta mpanao Boxe sy Relais.

CHAMPIONNAT D’AFRIQUE LUTTE

Médaille d’or

1

Médaille d’Argent

5

Médaille de Bronze

2

CHAMPIONNAT DE MADAGASCAR ATHLETISME

Médaille d’or

9 dont 2 par équipe

Médaille d’argent

6

Médaille de Bronze

3

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=894

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.