«

»

Mar 01 2012

Print this Article

Asan-jiolahy (Ambohimanarina)

Noho ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny Polisim-pirenena no nahasaronana mpamaky trano gaigilahy efa ikoizana eny amin’iny faritra AMBOHIMARINA iny. Ny alatsinainy faha-27 Febroary 2012 tamin’ny roa ora tolakandro dia nisy olona tonga tao amin’ny Commissariat de  Police AMBOHIMANARINA fa misy jiolahy  efa-dahy hifanenjehan’ny fokonolona eny AMBOHIMANARINA  , nandray ny andraikiny avy hatrany ny Polisy ka nifanampiana ny fanenjehana ireo olon-dratsy ka tratra ny telo tamin’izy ireo fa ny iray tafaporitsaka. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahalalana fa efa tena  mpamaky trano  gaigilahy ireto tratra ireto satria izy ireo ihany no nitantara teo anatrehan’ny Polisy ny asa ratsy rehetra vitany toy ny famakiana trano nataony hatramin’ny taona 2011 lasa iny dia ny : famakiana trano tany ANTANETIBE,  BETAFO ,ANTANJOMBE, ANTANETIATSIMO ary maro ireo zavatra lasibatra tamin’izany toy ny rojo volamena 70g mitentina 28.000.000fmg  ary peratra alliance sy kavina  maro samihafa  ; ordinateur portable ; batteuse ; fer electrique ; tele ; bafle ;radio ; vola mitentina 34.000.000fmg -LOVATIANA Francois antsoina hoe « LOVA  »;   21 taona -RAKOTOMALALA Jean Claude ; antsoina hoe « BABAININA »17 taona -RANDRIANARISOA Claude Rolland antsoina hoe : « DODA » Niaky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana natao azy ary niaky ihany koa fa efa betsaka ireo asa ratsy efa vitan’izy ireo tamin’ny famakiana trano isankarazany. Ny iray antsoina hoe « LOVA » ity moa dia manana raharaha ao amin’ny Polism-pirenena ka efa karohina efa hatramin’ny ela kanjo izao tra-tehaka izao indray ; fitaovana toy ny barramine, demonte no ampiasain’izy ireo amin’izany Rahampitso no atolotra ny fitsarana

—————————————————–

Nandritra ny fisafoana  nataon’ny Polisy ny alin’ ny  zoma  24 Febroary 2012 lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora  no nifanehatra tamin’ny  fiara express iray nivoaka avy tao amin’ny SOAM ny Polisy  , dimy lahy  no tao anatiny,rehefa nosavaina ity fiara ity dia nahitana bouteilles d’Oxygénes 12 tao anatiny ka notazonin’ny Polisy avy hatrany ity fiara ity sy ny dimy lahy tao antiny ary nentina avy hatrany teny amin’ny Commissariat de Police teny AMBOHIMANARINA   mba hatao famotorana.Nandritra ny famotorana natao azy no nahafatarana fa vao avy nangalarina tao amin’ny SOAM ity Oxygene ity ka hamidy 200.000f (40.000ar) ny bouteille iray ka ny iray amin’ireto tratra ireto no client mpividy izany sady tompon’ilay fiara ihany koa ; ary izy indray no mivarotra 8000ar ny iray barre amin’io Oxyg éne io.Ny roa lahy dia sécuritén’ity orinasa ity ihany ary ny roa lahy kosa Machiniste ao ihany koa. Ny  sabotsy maraina no nametraka fitarainana teny amin’ny Polisy ny Directeur Généralen’ity orinasa ity Niaiky ny heloka vitany izy ireo ary androany no natolotra ny fitsarana -RAZANAKOLONA Mamy Lalaina izy no mpandray  ny oxygene sy tompon’ilay fiara express nentin’izy ireo ary efa clients hatramin’ny ela be satria efa zava-panaon’ireto olon-dratsy izao -RAKOTONDRANAIVO Velonandro na Ravelo( Machiniste) -RANDRIANAIVO Ravelona Harison(Machiniste) -RANDRIAMIFIDY Jean Rochel( sécurité) -RANDRIAMIANDRISOA Gilbert (sécurité)

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=73

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.