«

»

Juin 04 2012

Print this Article

Tratra ilay tovolahy nisandoka ho Polisy

Tovolahy iray misandoka ho Sous-Brigadier de Police no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Commissariat de Police 6e Arrondissement AMBOHIMANARINA teny TALATAMATY ny marainan’ny Sabotsy, 02 Juin 2012 tamin’ny 6 ora.
RANDRIANASOLOMANANA Zöé, 22 taona, mpianatra.
Teo ampanaovana Police de la route teny TALATAMATY izy no voasambotra. Manao fanamiana maha Polisy, miaraka amin’ny grade Sous brigadier de Police.
Tamin’ny fisamborana azy dia nilaza izy fa Polisy miasa eny amin’ny Commissariat de Police 5e Arrondissement MAHAMASINA ary mitondra ny Numero Matricule 0095.
Tsy marina ny Filazany rehefa nohamarinina. Efa dimy andro no nanaovany ity asa fisandohana ity. Teny TALATAMATY ka amin’ny fotoana tsy hiasan’ny Zandary eny an-toerana  no anaovany izany. Manakana ireo TAXI-BE mandalo eny an-toerana izy ary tsy manasazy fa miangavy fiaraha-miasa na maka MIMI ka eo amin’ny 4.000Ar isan’andro no azony. Nambarany fa novidiany ireo fanamiana nanaovany. Nisy mpamilin’ny TAXI BE iray efa nahazo sazy tamin’ny Polisy hafa ka niangavy azy mba haka ny Papier-ny ka sady nanome vola azy no  nanome azy ilay Fiche de Contravention.
Ny Alatsinainy, 04 Juin no hatolotra ny Fitsarana.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=659

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.