«

»

Juin 04 2012

Print this Article

Vokatry ny Operation PICK POCKET notanterahan’ny Polisy avy ao amin’ny boriborin-tany voalohany etsy ANALAKELY

Nisy ny Operation PICK POCKET izay notanterahan’ny Polisy avy ao amin’ny boriborin-tany voalohany etsy ANALAKELY nanomboka ny faha-24 ka hatramin’ny faha-31 Mai 2012 lasa teo mba ho fintsinjovana ny vahoaka nialoha ny fety amin’ireo mpanao ratsy isankarazany. Maro ireo jiolahy no tratra tamin’izany.Nandritra ny fisafoana fanaon’ny Polisy  omaly faha-1 juin nitohy anio faha-2 juin no nahasamborana ny 15 lahy izay hikoizana amin’ny harom-paosy sy fanendahana ary  efa marobe ireo fitarainana voarain’ny Polisy momba azy ireo ka nanao velam-pandrika ka izao tratra izao izy 15 lahy ireo mbola misy ny karohana.Manendaka sy mangaro-paosy no tena fanaon’izy ireo ary iny faritra Hotely Glacier ; hotely Pacifique ; Gara Soarano ; Avenue ; ….sns.Manodidina ny 10 ka hatramin’ny 17 taona ny salan-taonan’izy ireo.Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahalalana fa ny appareil photo, camera, porte feuille no tena lasibatr’izy ireo ary voalaza fa hamidy avy hatrany izay azo.Manao andiany efatra na dimy izy ireo rehefa mandeha manao ny asa ratsiny ary efa misy olona lehibe fanaterany ny azony.
Tsy nisy zavatra tratra tany aminy fa ny iray tamin’izy ireo no nilaza fa efa nahazo 300 euros tamin’ny vazaha izy saingy tsy tany aminy intsony ilay vola voalazany.Vazaha no tena lasibatr’izy ireo
Marihina moa fa mbola mitohy io operation PICK POCKET io hatramin’izao  mba hitsinjovana ny vahoaka amin’ny tsy fahandriampahalemana amin’izai akatoky ny fety izao
Atolotra ny fitsarana amin’ny Alatsinainy faha-4 jiona ho avy izao izy ireo

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=654

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.