«

»

Mai 08 2012

Print this Article

Voasambotra ilay niray teti-dratsy t@ fanafihana ny volan’ny CT teny Tsimbazaza

Voasambotry ny Polisy etsy ANOSY ao amin’ny BRIGADE CRIMINELLE SECTION 4 (BC4) ny lehilahy iray antsoina hoe :RAKOTONIAINA Livasoa Eric  antsoina hoe cousin izay niray teti-dratsy tamin’ilay fanafihana ilay volan’ny CT teny TSIMBAZAZA ny 20 juillet 2011 lasa teo.Ary efa nisy ireo efa voatana vonjimaika any amponja amin’ny raharaha iny.Tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahasamborana ity olon-dratsy ity ny marainan’ny Talata 01 Mai 2012 lasa teo teny NAMONTANA.Nandritra ny famotorana natao azy no nahavoatonona anaran’olona maromaro izay efa ananan’ny Polisy ny mombamomba azy ireo ary efa misy ny fikarohana azy ireo.Tamin’ny alalan’ny fiara BMW MITONDRA NY LAHARANA 9316 TAC no nentin’i ANDRY nitanterana ny vola sy ireo olona izay nandray anjara tamin’izany nandeha nandositra raha ilay 4X4 no nangalana ilay vola teny TSIMBAZAZA
atolotra ny fitsarana androany i ERIC ary mbola mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany hafa

Vaovao momba ny ireo mpanao kidnaping Karana

Efa nahitam-bokany tsikelikely ihany ny fikarohana ny tompon’antoka tamin’ilay fitazomana ankeriny Karana vavy iray antsoina hoe: BAVIKA  ny 02 Decembre 2011 lasa teo.Marihina moa fa I ERIC izay tratra etsy ambony dia anisan’ny mpikambana ao anatin’ity tambanjotran’ny mpanao kidnapping eto ANTANANARIVOihany koa, izay manana  reseau telo izany raha ny eto amintsika.Fantatra fa i ERIC no nitondra ilay KANGOO fotsy izay nangalana ilay karana ary nanatitra azy hatreny amin’ny toerana izay nitazoman’izy ireo azy teny ANKADIKELY ILAFY ary izy sy ny namany iray antsoina hoe RADO no niambina azy tao mandram-pahazoana ilay vola notakiana izay mitentina 180.000.000 fmg ka namotsorana ity karana vavy ity; ary voalazany moa fa 19.000.000 fmg no anjara volany tamin’izany.
Nisy ny fisavana ny nimero rehetra tao anaty findain’I ERIC ka tamin’izany no nahalalana fa miray tendro amin’I FABMINCE izay tambanjotran’ny mpanao kidnapping iray ihany koa eto andrenivohitra ary ahitana ekipa maromaro mivondrona ao anatiny. Mizara telo araka ny efa nambara teny ampiandohany izy ireo dia ao ny ekipa entin’ny FABMINCE izay ahitana an-dry : GEORGI JAHBE,  PA BOTA, PA BARGA, DIDA ,GIOVARNIE MOSA; ao kosa ny entin-dry: TANTELY toa an’i: RADO ANDRY dit LAGONNA, ERICK SETRA RIJA MAINTY; ary misy dray ny entin’i:DJAFAR toa andry: SOLA MARCUS
Anio no atolotra ny fitsarana

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=613

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.