«

»

Avr 12 2012

Print this Article

Voasambotra ilay nanindrona antsy ny vadiny testy Andranomanalina

 Samy nanao izay nahafalifaly azy avokoa ny olona tamin’iny fetin’ny Paska iny , tao ireo namonjy lanonana maro samihafa, tao kosa ireo nitsangatsangana tetsy sy teroa, tao koa ireo nisafidy nijanona tao antokantrano ,fa ny mifanohitra amin’izany kosa no niseho tetsy ANDRANOMANALINA ny alatsinain’ny PASKA teo ; tao amin’ny Lot 301 B Ter tokony ho tamin’ny 9ora alina . Nisy olona nampilaza ny Polisy etsy amin’ny boriborintany faha-efatra ISOTRY fa misy mpivady miady eny amin’iny faritra iny ary mifanenjika amin’ny  antsy izy ireo, nidina teny an-toerana avy hatrany ireto farany kanjo noho ny tonga teny an-toerana dia  nilaza ireo manodidina fa efa naterin’ity lehilahy ity eny amin’ny hopitaly ny maratra dia tsy iza moa fa ilay vadiny izay notsindrominy tamin’ny antsy  ary nikasa handeha hitsoaka izy taorian’izay saingy efa tonga teny ny Polisy ka voasambotra ity namono vady ity.
Tamin’ny famotorana natao azy dia niaiky ny zava-bitany izy fa tsy nanda akory ary nilaza izy fa efa fanaon’izy roa ny miady fa tsy vao voalohany izao.Ary nanambara izy fa ahiahiny ho mampirafy azy ity vadiny ity noho ny fisian’ny olona miantso azy amin’ny finday matetika nefa tsy ampahafatarina azy no tsy fantany akory ka izany no fototry ny olana ka nampiady azy ireo ka niafara tamin’izao famonoana izao.
-RANDRIANJANAKA  Arnaud  25 taona  ny  lehilahy  ary monina  eny  ANATIHAZO  Isotry  na  antsoina hoe  NJAKA ilay nahavanon-doza.
-RAVOLOLOMANANTSOA  Miriam na Rotsy; monina eny ANDRANOMANALINA no anaran’ity namoy ny ainy ity.
Atolotra ny fampanoavana anio ny raharaha.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=432

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.