«

»

Avr 10 2012

Print this Article

Vokatry ny fiaraha-miasa @ fokontany sy polisy Tanjombato

Ny Alakamisy, 05 Avril 2012 Tokony ho tamin’ny 1ora dia nahazo antso avy tamin’ny olona roa samihafa ny Polisin’ny Commissariat Central TANJOMBATO, milaza fa misy dimy ambin’ny folo (15) lahy mihaodihaody amina trano iray eny amin’ny Fokontany SOAMAHAVORY ANKADILALAMPOTSY. Nomena baiko avy hatrany ireo Polisy mitety Faritra manao fisafoana mba hamonjy avy hatrany any amin’ity toerana voalaza ity. Rehefa tonga teny an-toerana dia tsy tratra nitsony ireto olona 15 lahy ireto fa efa lasa nandositra satria nitsofan’ny olona siflet. Tsy nihanona tamin’izany ny Polisy fa nanao fisafoana ny manodidina. Tokony ho tamin’ny 2ora maraina dia nahazo antso fa misy 15 lahy mampiahiahy ny olona eny amin’ny Fokontany TONGARIVO BEVALALA. Vao nahatazana ny Fiaran’ny Polisy izy ireo dia nitifitra in-droa; namely avy hatrany ny Polisy ka vaky nandositra ireo jiolahy. Natao ny fanenjehana ka voasambotry ny Polisy ny roa lahy ary ny iray kosa nifanehatra tamin’ny Andrimasom-pokonolona teny AMBOHIMANALA niaraka tamin’ny sabatra. Telo lahy izany ireo voatazona ao amin’ny Commissariat Central TANJOMBATO ka ny iray avy eny ANKASINA, ny iray avy eny ITAOSY ary ny iray avy eny AMBOHIMANALA;
Hatolotra ny Fitsarana rahampitso sabotsy izy telo lahy.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=419

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.