«

»

Mai 27 2013

Print this Article

Police de l’Air et des Frontières: Arrestation des trois ressortissants Comoriens pour usage de faux passeport

Mercredi, 22 mai 2013, trois ressortissants comoriens ont été pris en flagrant-délit par la Police de l’Air et des Frontières « PAF »  à Ivato pour usage de faux passeport français lorsqu’ils sont prêts à embarquer sur un vol à destination de la France.

Dans ce cas, la poursuite judiciaire était diligentée par le Service Central des Enquêtes Spécialisés à Anosy. Lors de leur audition, ils ont avoué leur méfait et  qu’ils ont acheté ses passeports à Comores.

Les trois suspects ont été déférés au Parquet le jeudi 23 mai 2013.

————————–000000000000000———————————

Naterin’ny « Police de l’Air et de la Frontière » miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato tao amin’ny Polisy misahana ny fanadihadiana manokana (Enquête spécialisé) ANOSY ny teratany Comorien telo mianadahy, hatao fanadihadiana mahakasika ny fampiasan’izy ireo pasipaoro sandoka, pasipaoro Frantsay an’olon-kafa mitovitovy endrika aminy. Tamin’ny famotorana natao azy ireo dia niaiky ny heloka nataony izy ireo ary nilaza fa novidiana tany Kaomoro ireo pasipaoro nampiasainy ireo. Handeha ho any Frantsa izy ireo ary tsy maintsy nandalo teto Madagasikara ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka teo no nahatratrarana azy telo mianadahy ka 19 taona ny zandriny indrindra ary 27 taona kosa ny zokiny indrindra. Araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny Polisy ao amin’ny « Enquête spécialisé » dia tranga matetika misy izao miseho izao ary efa betsaka no nahiditra am-ponja vonjimaika. Ny teratany Kaomôrianina no mitana ny laharana voalohany ary manaraka azy ny « Bangladesh » sy ny Srilankey ary ny Indianina sy ny Malagasy amin’ny fanaovana hosoka sy fampiasana taratasy tsy izy toy izao tratra izao.
Manentana ny rehetra araka izany ny Polisim-pirenena mba hanome vaovao raha mahita tsy fanarahan-dàlana na hosoka eny amin’ny fiaraha-monina eny ka hiantso ny laharana 017 avy hatrany.
Io maraina io no natolotra ny fitsarany izy telo mianadahy ireto.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=2223

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.