«

»

Mai 21 2013

Print this Article

Mpangalatra mpamaky trano teny Avarabohitra Itaosy

Tamin’ny 17 mai 2013 tamin’ny 7 ora maraina rehefa nandeha namonjy fiasana ny tompon-trano iray eny AVARABOHITRA ITAOSY dia nisy roalahy nihanika tamboho ka niditra teo am-baravarakely. Nanao izay ho afany izy roalahy ireto nangorona ny entana tao an-trano ka nahafeno sakaosy maromaro. Rehefa feno ireo sakaosy ireo dia nivoaka ny trano izy ireo saingy hitan’ny mponina manodidina. Noho ity trano efa in-droa vaky dia tsy nihambahamba ny fokonolona nijery akaiky an’ireto roalahy ireto ka nanenjika avy hatrany. Nitsoaka I Avotra fa I Andry kosa tsy nahahetsika teo. Niantso ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria ITAOSY ny fokonolona ka minitra vitsy taty aoriana dia tonga izy ireo ary nitondra ity mpangalatra ity atao famotorana  tamin’ny 10 ora maraina . Tamin’io famotorana natao tamin’I Avotra io no nanondroany an’I Andry izay namany naira-nangalatra taminy saingy tafatsoaka.

Avy hatrany dia notadiavina I Andry ka teny ANOSIZATO izy no voasambotra. Araka ny voalazan’iry roalahy ireo dia eny amin’ny faritra ANOSIZATO, ANOSIBE, ITAOSY no fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Anio no atolotra ny fitsarana izy ireo.

Entanina ny rehetra mba hanome vaovao na hiantso haingana ny Polisin’ny Kaomisaria Itaosy raha mahita na maheno sehon-javatra tsy mazava ka ny laharan-tarobia 034 05 517 16 no haingana indrindra.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=2186

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.