«

»

Avr 22 2013

Print this Article

Signatures d’entraide Judiciaire entre les 4 entités

Tontosa androany, 19 avril 2013, tamin’ny 3 ora hariva ny lanonam-pamaranana ny fiofanana nataon’ny avy ao amin’ny  Polisim-pirenena, ny avy ao amin’ny  BIANCO, ny avy ao amin’ny Fitsarana ary ny avy ao amin’ny SAMIFIN teny amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Bertin  ( FIP ANTANIMORA).

Nizara roa ny fandaharam-potoana ka ny tapany voalohany dia ny lahan-teny nifandimbiasana ary nadray fitenenana tamin’izany ny solon-tenan’ny governemanta Frantsay izay maso nipoiran’izao fiofanana izao. Mahakasika ny ady amin’ny famotsiam-bola kosa ny fiofanana narahina  ka 28 mianadahy no isan’ireo mpiofana.

Tamin’ny lahan-tenin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminana anatiny no nanoritroritany ny lanjan’izany ady amin’ny famotsiam-bola izany indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena izao. Nilaza ihany koa izy fa mila hampiharina sy havaozina mba hifanaraka amin’ny toetr’andro izao fiofanana natao izao ary indrindra indrindra ilaina hohamafisina hatrany eo amin’ny sehatry ny asa aman’andraikitra samihafa.

Ny tapany faharoa kosa dia ny fizarana ny mari-pahaizana mahakasika io taranja niofanana io tamin’ireo nahavita ny fiofanana hatramin’ny farany.

Tonga nanome voninahitra izao lanonana izao ny Minisitry ny filaminana Anatiny, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny sekretera Jeneralin’ny Polisim-pirenena sy ireo Tale isan’ambaratongany, ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, ny Solon-tenan’ny Minisitry ny Fitsarana, ny Mpandrindra arak’asan’ny SAMIFIN.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=2062

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.