«

»

Avr 05 2013

Print this Article

Tongarivo Tanjombato: Arrestation d’un vendeur de drogue

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny zava-mahadomelina tao an-tranony omaly alarobia 3 avrily tamin’ny 6 ora sy 30 mn maraina ny lehilahy iray 34 taona mpivarotra rongony antsoina hoe : Ratsimbazafy Théodore raha teo am-pivarotana rongony teny amin’ny faritry Tongarivo Tanjombato. Baiko avy amin’ny fitsarana no nisamborana ity olona ity. Marihina moa fa tao anaty mololo no nanafenany ny rongony hamidiny ka rehefa natao ny fisavana dia rongony 10 fonosana no tratra tao aminy ary efa asa fanaon’izy mianakavy ity fivarotana rongony ity. Ary mpamaly sy mpamono Polisy mihitsy izy ireo, ka amin’ny alalan’ny alika be ao aminy no hanaovany izany. Raha vao misy polisy hisambotra ny iray amin’izy ireo dia mamalivaly be ry zareo ary miafara amin’ny famahana ilay alika be ao aminy izany. Mbola misy karohina amin’ity raharaha ity. Hatolotra ny fitsarana androany izy.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=1825

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.