«

»

Mar 04 2013

Print this Article

Arrestation par la STUP: les trafiquants et vendeurs de cannabis au cartier de Tsarahonenana

Nahazo loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (Stupéfiant Anosy) fa misy olona mpivarotra rongony eny Tsarahonenana. Nidina teny amin’ny toerana voatondro ny polisy ka nanao ny vela-pandrika hisamborana ireo mpanao ny asa ratsy, ny 1 marsa 2013 tamin’ny 8 ora sy 30 mn maraina. Voasambotra tamin’izany ny lehilahy iray izay mpividy rongony ka hita tany aminy ny fonosana rongony iray. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’io olona io no nahafantarana fa mbola misy lehilahy iray 44 taona antsoina hoe Dennis izay voalaza fa mpivarotra mpanaparitaka ireo rongony ireo. Voasambotra tao an-tranona kisoa ity farany ary nahatratrana fonosana rongony iray ihany koa. Tamin’ny fanadihadiana natao io olona farany io no nilazany fa i Rakemba no tompon’ny rongony rehetra izay hamidiny. Rehefa natao ny fisavana ny tranon-dRakemba dia tratra tao anaty vilany izay efa tsara afina tokoa ny fonosana rongony miisa 38. Voasambotra niaraka tamin-dRakemba ihany koa ny vehivavy iray 29 taona izay voalaza fa tompon-trano no sady mampiahiahy ny polisy ihany koa ho mpanondra rongony avy any atsimon’ny Nosy miditra eto Antananarivo satria mpivezivezy any atsimo ity vehivavy ary rongony avy atsimo avokoa ireo tratra tao an-tranon-dRakemba ireo. Tamin’ny famotorana natao azy efatra mianadahy teny anivon’ny polisy dia niaiky ny asa ratsy fanaony izy rehetra . Natolotra ny fitsarana ny sabotsy maraina lasa teo izy ireo ka telo naiditra am-ponja eny Antanimora ary iray kosa nahazo fahafahana vonjimaika ilay vehivavy 29 taona.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=1634

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.