«

»

Mar 01 2013

Print this Article

Braquage de banque : Arrestation de l’auteur par La Brigade Criminelle

Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy misahana  ny heloka bevava   sakelika faha enina (BC 6) etsy Anosy fa eny Andohatapenaka ambadiky ny fefiloha na COCO taloha no mipetraka i BERA KELY na HERY mpanao fanafihana mitam-basy ary koa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana  teny amin’ny ACCES BANQUE  eny ANDRAHARO ny faramparan’ny taona 2012  niaraka ny  ekipan’i RASOLO STEPHAN .
Nidina teny an-toerana ny Polisy ny talata 26 febroary 2013 nanomboka tamin’ny 12 ora antoandro ka tokony ho tamin’ny 05 ora sy 30 mn hariva no tonga i BERA KELY.Nosavaina ny tranony ka  ireto avy no tratra tao aminy:
– KALACHNIKOV  (01) sy boÎte à chargeur ( 02) ary bala miisa 120 .
– PATT (01) sy chargeur (01) ary bala  miisa 07 .
– Moara (fanafody gasy maromato).
Marihana fa  voasazy higadra mandra-pahafaty tany Toliara i HERY ny  taona 2010 no nitsoaka .Mbola maromaro ihany koa ny fitoariana mikasika azy

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=1623

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.