«

»

Oct 04 2019

Print this Article

FIKAMBANAN’NY VADY POLISY SY NY POLISY VAVY : HOTANTERAHINA ANY TOLIARY NY ZAIKABE ANDIANY FAHAROA

FIKAMBANAN’NY VADY POLISY SY NY POLISY VAVY : HOTANTERAHINA ANY TOLIARY NY ZAIKABE ANDIANY FAHAROA

Hatao ny 09 ka hatramin’ny 12 oktobra 2019 ny zaikabe andiany faha-2 an’ny Fikambanan’ny Vady Polisy sy ny Polisy Vavy na FIVAPOVA izay hatao any Toliary.
Mpizaika mahatratra 2000 mahery no andrasana any Toliara, avy amin’ny lafy valon’ny nosy satria misy FIVAPOVA avokoa ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena manerana ny nosy
« Vehivavy misitraka ny zony, antoky ny fampivoarana ». Io no lohahevitra hitondrana ity hetsika ity, izay ahitana carnaval, fifaninanana ara-panatanjahan-tena, fifaninanana vakodrazana, fifafinanana hatsaran-tarehy sy bika, tsenan-kevitra mahakasika ny zon’ny vehivavy, fivoriambe ara-potoana ary faranana amin’ny alavoly sy nofon-kena mitam-pihavanana.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13897