«

»

Sep 27 2019

Print this Article

MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISIM-PIRENENA AMIN’NY FANABEAZANA NY OLOM-PIRENENA ENY AN-DALAMBE

MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISIM-PIRENENA AMIN’NY FANABEAZANA NY OLOM-PIRENENA ENY AN-DALAMBE

Tsy mitsahatra manao ny asa fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fampiasana ny lalana ny Polisim-pirenena. Taorian’ny fanentanana misesisesy ireo sarety sy posy ary ireo mpamily moto amin’ny fanarahan-dalàna dia niroso tamin’ny fanabeazana ireo taxi-be sy ireo mpandeha an-tongotra ary ireo mpivarotra amoron-dalana ny Polisy miasa eny anivon’ny kaomisaria miampy ny Polisy ny hery vonjy taitra. Tetsy Mahamasina sy teny Ampasampito no nanombohana ny asa : Noesorina ireo mpivarotra amoron-dalana hahafahan’ny mpampiasa fiara mifamoivoy sy hampalalaka ny fivezivezen’ireo mpandeha an-tongotra; Nampianarina handeha eny amin’ny trottoir ny mpandeha an-tongotra hisorohana ny loza eny amin’ny arabe ; Narindra ihany koa ny fijanonan’ireo Taxibe eny amin’ny toeram-pihantsonany mba tsy hiteraka fitohanana izany. Tsy hijanona ary hitohy ny ezaka ataon’ny Polisim-pirenena ary ho voakasik’izany avokoa ny Boriborintany rehetra eto an-drenivohitra.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13881