«

»

Sep 17 2019

Print this Article

FIP TOAMASINA, NAHITAM-BOKANY NY FISAFOANA ANDRO SY ALINA TSY MIATO, NALAKY NY FIDINANA TENY AN-TOERANA NAMALY NY ANTSO VONJY KA TRA-TEHAKY NY POLISY TAMIN’NY 01 ORA SY SASANY MARAINA IREO JIOLAHY MPANAO FANAFIHANA

FIP TOAMASINA, NAHITAM-BOKANY NY FISAFOANA ANDRO SY ALINA TSY MIATO, NALAKY NY FIDINANA TENY AN-TOERANA NAMALY NY ANTSO VONJY KA TRA-TEHAKY NY POLISY TAMIN’NY 01 ORA SY SASANY MARAINA IREO JIOLAHY MPANAO FANAFIHANA

Ho fanamafisana ny fampandriana fahalemana ao amin’ny tananan’ny Toamasina dia miezaka ireo tompon’andraikitra eny an-toerana manatevina ireo fisafoana andro sy alina ary ny fidinana farak’izay malaky raha misy ny antso vonjy voarain’izy ireo. Tao anatin’izany indrindra no nahafahana nisambotra ireto jiolahy miisa 03 izay avy nanafika tokantrano iray teny amin’ny fokontanin’Andranomadio, ka vola mitentina 2.500.000 ar no lasan’izy ireo tamin’izany, nimapy moto sy fahitalavitra ny andron’ny alakamisy 12 septambra lasa teo, raha vantany vao nahazo ny antso vonjy ireo Polisin’ny FIP Toamasina tamin’ny 01 ora sy sasany maraina dia avy hatrany dia nidina teny an-toerana ary tonga ara-potoana ka raikitra ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy. Nanao tari-dositra ireto jiolahy ireto, ary tsy namelan’ny Polisin’ny FIP Toamasina fa nohazain’izy ireo hatrany amin’ny toerana izay fiafenany antsoina hoe « EX RELAX » izay efa malaza ratsy ao Toamasina fa fieren’ny jiolahy amin’ny andro alina sy fizarany ireto entana halatra. Nilavo lefona ireto telo lahy ireto rehefa tsy afa-nanohitra intsony ary mbola tra-tehaka teny amin’izy ireo avokoa moa ireo entana halatra rehetra toy ny fahita lavitra “ecran plat” miisa 03 sy moto scooter miisa 04 ary ihany koa ireo fitaovam-piadiana toy ny antsy lava izay miisa 03.
Efa maro ny fitarainana voaray mahakasika ireo fanafihana mitam-piadiana sy ny fangalarana moto ao an-drenivohitry Toamasina ary anisan’ny tompon’antoka amin’izany ireto telo lahy izay voasambotry ny FIP ireto.
Ho amafisina hatrany ireo fisafoana andro sy alina izay atao ary mampitandrina ireo tompon’andraikitra eny an-toerana fa tsy hilefitra velively amin’ireo mpanao ratsy.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13872