«

»

Sep 05 2019

Print this Article

CSP4 ISOTRY : MITOHY NY EZAKA FANADIOVANA IREO FARITRA IZAY MALAZA FA ANJAKAN’NY ASA FANENDAHANA

CSP4 ISOTRY : MITOHY NY EZAKA FANADIOVANA IREO FARITRA IZAY MALAZA FA ANJAKAN’NY ASA FANENDAHANA

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany faha-4 etsy Isotry, ny fisafoana izay tsy miato andro sy alina amin’iny faritra iny no nahafahana nisambotra ireto mpanendaka ireto. Ny sabotsy faha 24 aogositra tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro dia tovolahy 15 taona no lasibatry ny mpangarom-paosy teny ambodin’Isotry, finday 01 izay tao am-paosiny moa no nosokirina lehilahy 01 tamin’io fotoana io. Henony anefa izany ka niantso vonjy izy. Vaky nandositra ilay olon-dratsy saingy voasambotry ny polisy nanao fanamiana sivily efa niandry tsy lavitra teo. Lehilahy 29 taona kosa no tratra teo am-panendahana lehilahy teo Ambodin’Isotry amin’ny andro Alahady tokony tamin’ny 04 ora tolakandro. Narahiny avy ao aoriana ilay lehilahy ary teo am-pisokirana ny vola tao am-paosiny izy no nisy nahita ary dia voasambotry ny fokonolona.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13854