«

»

Sep 05 2019

Print this Article

PPA3 ILANIVATO : TOVOLAHY VAO 18 TAONA MONJA EFA MPAMERIK’ELOKA SY NIGADRA VALO VOLANA, MBOLA TRA-TEHAKY NY POLISY INDRAY REHEFA NAMERINA NY ASA RATSINY

PPA3 ILANIVATO : TOVOLAHY VAO 18 TAONA MONJA EFA MPAMERIK’ELOKA SY NIGADRA VALO VOLANA, MBOLA TRA-TEHAKY NY POLISY INDRAY REHEFA NAMERINA NY ASA RATSINY

Tovolahy 01, 18 taona monina eny Anosipatrana no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PPA3 Ilanivato ny faran’ny volana aogositra lasa teo rehefa avy namaky tranon’olona ka nibada ny vata fahitalavitra tao. Mpiara-monina aminy teo Anosipatrana ihany moa ity nanaovany ny asa ratsiny ity. Tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro, raha hitany nandeha nivoaka ny trano ny tompon-trano dia nohararaotiny nidirana ilay trano ka nobatainy ny vata fahitalavitra. Nentiny nafenina tao an-tranony izany rehefa azony. Nisy nahita anefa ny nakany izany ka rehefa niverina ny tompon-trano sahabo tamin’ny 01 ora tolakandro ary nahita fa nisy namaky ny trano dia niantso polisy avy hatrany. Rehefa tonga ny polisy dia nivantana tao an-tranon’ilay tovolahy ka dia tratra tao ilay Vata fahitalavitra. Nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny PPA3 Ilanivato moa ity tovolahy ity ary fantatra i fa efa nifonja nandritra ny 08 volana izy noho ny antony fanendahana ihany ary nivoaka ny fonja ny volana desambra 2018.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13850