«

»

Août 07 2019

Print this Article

FANONDRANANA MPIASA ANTSOKOSOKO MANKANY « ARABIE SAOUDITE », SARON’NY POLISIN’NY « PAF-IVATO » SY NY « SERVICE CENTRAL DES ENQUETES SPECIALISEES » ETSY ANOSY NY VEHIVAVY IRAY TOMPON’ANTOKA AMIN’IZANY

FANONDRANANA MPIASA ANTSOKOSOKO MANKANY « ARABIE SAOUDITE », SARON’NY POLISIN’NY « PAF-IVATO » SY NY « SERVICE CENTRAL DES ENQUETES SPECIALISEES » ETSY ANOSY NY VEHIVAVY IRAY TOMPON’ANTOKA AMIN’IZANY

Ny andron’ny Zoma faha-2 ny volana Aogositra lasa teo, dia vehivavy miisa fito (07) no tratran’ny Polisin’ny PAF etsy Ivato raha nikasa hiondrana an-tsokosoko makany Arabie Saoudite. Tsiahivina fa noho ireo fitarainana maro isan-karazany izay voaray mahakasika ireo mpiasa Malagasy any an-toerana : fampijaliana amin’ny endriny maro samihafa, tsy fanajana ny zon’olombelona, tsy fanajàna ny zon’ny mpiasa, vono sy herisetra ary ny sisa maro izay tsy voatanisa, dia voasokajy ho ao anatin’ny lisitra mena i « Arabie Saoudite » amin’ny fandefasana olona hiasa any. Mampahonena anefa ny zava-misy fa dia mbola misy ihany ireo olona izay minia manondrana an-tsokosoko ireo mpiray tanindrazana aminy any amin’ireo firenena ireo. Saron’ny Polisin’ny PAF teny ivato ny vehivavy miisa fito tamin’ireo ny zoma lasa teo ary rehefa natao ny famotorana teo anivon’ny « Service central des Enquêtes Spécialisées » etsy Anosy dia sarona ihany koa taorian’izay ny vehivavy iray izay tompon’antoka tamin’izao fanondranana mpiasa antsokosoko makany Arabie Saoudite izao. Fantatra araka zany fa vola mitentina 600.000 ar hatramin’ny 1.500.000 ar isan’olona no alainy amin’izany. Ny fanadihadiana izay natao ihany koa no nahalalana fa miaro fitaka ny fikasàna hanondranana ireto vehivavy miisa fito ireto, satria dia lazain’izy ireo fa any Dubai izy ireo no hiasa, kanefa dia ho aondrana makany Arabie Saoudite, na dia efa fantatr’ireto mpandefa aza ny fahoriana izay mety ianjady amin’ireto olona ireto raha vantany vao tonga any. Fantatra nandritra ny famotorana izay natao ihany koa fa misy olona hafa izay miray tsikombakomba amin’ity vehivavy voasambotra ity izay mitsena ireto mpiasa ireto rehefa tonga any Arabie Saoudite. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13414