«

»

Août 05 2019

Print this Article

FAMETRAHANA ARA-POMBA OFISIALY IREO TALEM-PARITRA VAOVAO MISAHANA NY FARITRA SAVA SY DIANA

FAMETRAHANA ARA-POMBA OFISIALY IREO TALEM-PARITRA VAOVAO MISAHANA NY FARITRA SAVA SY DIANA

Ny Zoma 02 Aogositra 2019 lasa teo no notontosaina teo anoloan’ny « Place Ritz » tany Antsiranana ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka any amin’ny faritra DIANA sy SAVA. Ny Commissaire Divisionnaire de Police TOMBOHASY Christian no voatendry ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoka hisahana ny faritra DIANA ary ny Commissaire Principal de Police RAZAKA Andriamahasoa kosa no voatendry ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoka amin’ny faritra SAVA. Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany , ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOZANANY Dany Marius izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka ; nahitana ihany koa ireo Tale sy lehibe-na Sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisitera. Nandritra ny laha-teny izay nataon’izy ireo no nanamafisan’ireo Talem-paritra vaovao ny fanomezan-toky amin’ny fanohizana hatrany ireo ezaka rehetra izay efa vita sy nahitam-bokany toy ny nahasamborana ireo mpanao fakana an-keriny sy ny fanafoanana ny asa ratsy izay niseho tamin’ny endriny maro isan-karazany tany amin’ireo faritra voalaza ireo . Ny tanjona amin’izany dia ny hisian’ny fandriampahalemana maharitra ao anatin’ny faritra iadidian’izy ireo dia ny DIANA sy ny faritra SAVA.

Lien Permanent pour cet article : http://www.policenationale.gov.mg/?p=13400